시편 139편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 24절
- 1 Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy.
- 2 Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
- 3 Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
- 4 Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ ny lelako, Jehovah ô.
- 5 Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
- 6 Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
- 7 Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
- 8 Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.
- 9 Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ ny ranomasina,
- 10 Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana.
- 11 Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
- 12 Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.
- 13 Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
- 14 Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
- 15 Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany.
- 16 Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin’ ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
- 17 Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ ny isany!
- 18 Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
- 19 Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà.
- 20 Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
- 21 Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao?
- 22 Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
- 23 Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
- 24 Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ ny lalana mandrakizay aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗