시편 141편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절
- 1 Jehovah ô, mitaraina aminao aho, faingàna hankatỳ amiko; Henoy ny feoko amin’ ny fiantsoako Anao.
- 2 Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
- 3 Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ ny vavako; Ambeno ny varavaran’ ny molotro.
- 4 Aza avela hirona ho amin’ ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin’ ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
- 5 Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny.
- 6 Havarina amin’ ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
- 7 Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ ny fiainan-tsi-hita.
- 8 Fa Hianao no andrandrain’ ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.
- 9 Arovy aho amin’ ny fandrika amandrihany ahy Sy amin’ ny tadivavaran’ ny mpanao ratsy.
- 10 Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin’ ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗