로그인

시편 138편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절

  1. 1 Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho; Eo anatrehan’ ireo andriamanitra no hankalazako Anao.
  2. 2 Hivavaka manandrify ny tempolinao masìna aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ ny anaranao rehetra.
  3. 3 Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko.
  4. 4 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy.
  5. 5 Eny hihira ny amin’ ny lalan’ i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr’ i Jehovah.
  6. 6 Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.
  7. 7 Na dia handeha eo amin’ ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
  8. 8 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan’ ny tananao.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗