시편 139편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 24절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy. | O Lord, thou hast searched me, and known me. |
| 2 | Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny. | Thou knowest my downsitting and mine uprising, thou understandest my thought afar off. |
| 3 | Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. | Thou compassest my path and my lying down, and art acquainted with all my ways. |
| 4 | Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ ny lelako, Jehovah ô. | For there is not a word in my tongue, but, lo, O Lord, thou knowest it altogether. |
| 5 | Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao. | Thou hast beset me behind and before, and laid thine hand upon me. |
| 6 | Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro. | Such knowledge is too wonderful for me; it is high, I cannot attain unto it. |
| 7 | Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao? | Whither shall I go from thy spirit? or whither shall I flee from thy presence? |
| 8 | Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. | If I ascend up into heaven, thou art there: if I make my bed in hell, behold, thou art there. |
| 9 | Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ ny ranomasina, | If I take the wings of the morning, and dwell in the uttermost parts of the sea; |
| 10 | Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana. | Even there shall thy hand lead me, and thy right hand shall hold me. |
| 11 | Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina, | If I say, Surely the darkness shall cover me; even the night shall be light about me. |
| 12 | Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina. | Yea, the darkness hideth not from thee; but the night shineth as the day: the darkness and the light are both alike to thee. |
| 13 | Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. | For thou hast possessed my reins: thou hast covered me in my mother’s womb. |
| 14 | Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. | I will praise thee; for I am fearfully and wonderfully made: marvellous are thy works; and that my soul knoweth right well. |
| 15 | Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany. | My substance was not hid from thee, when I was made in secret, and curiously wrought in the lowest parts of the earth. |
| 16 | Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin’ ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza. | Thine eyes did see my substance, yet being unperfect; and in thy book all my members were written, which in continuance were fashioned, when as yet there was none of them. |
| 17 | Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ ny isany! | How precious also are thy thoughts unto me, O God! how great is the sum of them! |
| 18 | Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany. | If I should count them, they are more in number than the sand: when I awake, I am still with thee. |
| 19 | Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà. | Surely thou wilt slay the wicked, O God: depart from me therefore, ye bloody men. |
| 20 | Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana. | For they speak against thee wickedly, and thine enemies take thy name in vain. |
| 21 | Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao? | Do not I hate them, O Lord, that hate thee? and am not I grieved with those that rise up against thee? |
| 22 | Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny. | I hate them with perfect hatred: I count them mine enemies. |
| 23 | Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; | Search me, O God, and know my heart: try me, and know my thoughts: |
| 24 | Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ ny lalana mandrakizay aho. | And see if there be any wicked way in me, and lead me in the way everlasting. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL