로그인

시편 138편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Hidera Anao amin’ ny foko rehetra aho; Eo anatrehan’ ireo andriamanitra no hankalazako Anao. I will praise thee with my whole heart: before the gods will I sing praise unto thee.
2 Hivavaka manandrify ny tempolinao masìna aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ ny anaranao rehetra. I will worship toward thy holy temple, and praise thy name for thy lovingkindness and for thy truth: for thou hast magnified thy word above all thy name.
3 Tamin’ ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. In the day when I cried thou answeredst me, and strengthenedst me with strength in my soul.
4 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany, Fa handre ny tenin’ ny vavanao izy. All the kings of the earth shall praise thee, O Lord, when they hear the words of thy mouth.
5 Eny hihira ny amin’ ny lalan’ i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr’ i Jehovah. Yea, they shall sing in the ways of the Lord: for great is the glory of the Lord.
6 Fa na dia avo aza Jehovah dia mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny. Though the Lord be high, yet hath he respect unto the lowly: but the proud he knoweth afar off.
7 Na dia handeha eo amin’ ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana. Though I walk in the midst of trouble, thou wilt revive me: thou shalt stretch forth thine hand against the wrath of mine enemies, and thy right hand shall save me.
8 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan’ ny tananao. The Lord will perfect that which concerneth me: thy mercy, O Lord, endureth for ever: forsake not the works of thine own hands.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL