시편 137편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절
- 1 Teo amoron’ ny onin’ i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an’ i Ziona.
- 2 Teo amin’ ny hazomalahelo teo afovoan’ i Babylona No nanantonanay ny lokanganay.
- 3 Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran’ i Ziona eto anatrehanay.
- 4 Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran’ i Jehovah Tany an-tany nivahiniana?
- 5 Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
- 6 Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin’ ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin’ ny fifaliako rehetra.
- 7 Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany.
- 8 Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.
- 9 Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin’ ny harambato.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗