시편 136편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 26절
- 1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 2 Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 3 Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
- 4 Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 5 Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 6 Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 7 Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 8 Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 9 Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 10 Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)
- 11 Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 12 Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 13 Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 14 Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 15 Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 16 Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 17 Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 18 Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 19 Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 20 Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 21 Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 22 Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 23 Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 24 Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),
- 25 Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);
- 26 Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗