시편 136편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 26절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. | O give thanks unto the Lord; for he is good: for his mercy endureth for ever. |
| 2 | Midera an’ Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. | O give thanks unto the God of gods: for his mercy endureth for ever. |
| 3 | Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony; | O give thanks to the Lord of lords: for his mercy endureth for ever. |
| 4 | Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | To him who alone doeth great wonders: for his mercy endureth for ever. |
| 5 | Izay nanao ny lanitra tamin’ ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | To him that by wisdom made the heavens: for his mercy endureth for ever. |
| 6 | Izay namelatra ny tany ho ambonin’ ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | To him that stretched out the earth above the waters: for his mercy endureth for ever. |
| 7 | Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | To him that made great lights: for his mercy endureth for ever: |
| 8 | Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | The sun to rule by day: for his mercy endureth for ever: |
| 9 | Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | The moon and stars to rule by night: for his mercy endureth for ever. |
| 10 | Izay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony) | To him that smote Egypt in their firstborn: for his mercy endureth for ever: |
| 11 | Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | And brought out Israel from among them: for his mercy endureth for ever: |
| 12 | Tamin’ ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | With a strong hand, and with a stretched out arm: for his mercy endureth for ever. |
| 13 | Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | To him which divided the Red sea into parts: for his mercy endureth for ever: |
| 14 | Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | And made Israel to pass through the midst of it: for his mercy endureth for ever: |
| 15 | Fa nanary an’ i Farao sy ny miaramilany tao anatin’ ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | But overthrew Pharaoh and his host in the Red sea: for his mercy endureth for ever. |
| 16 | Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | To him which led his people through the wilderness: for his mercy endureth for ever. |
| 17 | Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | To him which smote great kings: for his mercy endureth for ever: |
| 18 | Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | And slew famous kings: for his mercy endureth for ever: |
| 19 | Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | Sihon king of the Amorites: for his mercy endureth for ever: |
| 20 | Sy Oga, mpanjakan’ i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | And Og the king of Bashan: for his mercy endureth for ever: |
| 21 | Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | And gave their land for an heritage: for his mercy endureth for ever: |
| 22 | Dia ho lovan’ ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | Even an heritage unto Israel his servant: for his mercy endureth for ever. |
| 23 | Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | Who remembered us in our low estate: for his mercy endureth for ever: |
| 24 | Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), | And hath redeemed us from our enemies: for his mercy endureth for ever. |
| 25 | Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony); | Who giveth food to all flesh: for his mercy endureth for ever. |
| 26 | Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. | O give thanks unto the God of heaven: for his mercy endureth for ever. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL