시편 135편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 21절
- 1 Haleloia. Miderà ny anaran’ i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah,
- 2 Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon’ i Jehovah, Eo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitsika.
- 3 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
- 4 Fa Jakoba nofidin’ i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
- 5 Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin’ ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
- 6 Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin’ ny lanitra, na etỳ ambonin’ ny tany, Na any amin’ ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
- 7 Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
- 8 Dia Ilay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, Na olona, na biby.
- 9 Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra,
- 10 Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
- 11 Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan’ i Basana, Ary ny fanjakan’ i Kanana rehetra;
- 12 Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan’ ny Isiraely olony.
- 13 Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
- 14 Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony.
- 15 Ny sampin’ ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan’ ny tànan’ olona;
- 16 Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
- 17 Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
- 18 Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
- 19 Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona;
- 20 Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Levy; Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, misaora an’ i Jehovah.
- 21 Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗