시편 135편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 21절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Haleloia. Miderà ny anaran’ i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, | Praise ye the Lord. Praise ye the name of the Lord; praise him, O ye servants of the Lord. |
| 2 | Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon’ i Jehovah, Eo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitsika. | Ye that stand in the house of the Lord, in the courts of the house of our God, |
| 3 | Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany. | Praise the Lord; for the Lord is good: sing praises unto his name; for it is pleasant. |
| 4 | Fa Jakoba nofidin’ i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy, | For the Lord hath chosen Jacob unto himself, and Israel for his peculiar treasure. |
| 5 | Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin’ ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika. | For I know that the Lord is great, and that our Lord is above all gods. |
| 6 | Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin’ ny lanitra, na etỳ ambonin’ ny tany, Na any amin’ ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra. | Whatsoever the Lord pleased, that did he in heaven, and in earth, in the seas, and all deep places. |
| 7 | Mampiakatra zavona avy amin’ ny faran’ ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy, | He causeth the vapours to ascend from the ends of the earth; he maketh lightnings for the rain; he bringeth the wind out of his treasuries. |
| 8 | Dia Ilay namely ny voalohan-terak’ i Egypta, Na olona, na biby. | Who smote the firstborn of Egypt, both of man and beast. |
| 9 | Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra, | Who sent tokens and wonders into the midst of thee, O Egypt, upon Pharaoh, and upon all his servants. |
| 10 | Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery, | Who smote great nations, and slew mighty kings; |
| 11 | Dia Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan’ i Basana, Ary ny fanjakan’ i Kanana rehetra; | Sihon king of the Amorites, and Og king of Bashan, and all the kingdoms of Canaan: |
| 12 | Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan’ ny Isiraely olony. | And gave their land for an heritage, an heritage unto Israel his people. |
| 13 | Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao. | Thy name, O Lord, endureth for ever; and thy memorial, O Lord, throughout all generations. |
| 14 | Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony. | For the Lord will judge his people, and he will repent himself concerning his servants. |
| 15 | Ny sampin’ ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan’ ny tànan’ olona; | The idols of the heathen are silver and gold, the work of men’s hands. |
| 16 | Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita; | They have mouths, but they speak not; eyes have they, but they see not; |
| 17 | Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. | They have ears, but they hear not; neither is there any breath in their mouths. |
| 18 | Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy. | They that make them are like unto them: so is every one that trusteth in them. |
| 19 | Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ Isiraely; Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Arona; | Bless the Lord, O house of Israel: bless the Lord, O house of Aaron: |
| 20 | Misaora an’ i Jehovah, ry taranak’ i Levy; Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, misaora an’ i Jehovah. | Bless the Lord, O house of Levi: ye that fear the Lord, bless the Lord. |
| 21 | Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia. | Blessed be the Lord out of Zion, which dwelleth at Jerusalem. Praise ye the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL