로그인

시편 129편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절

  1. 1 Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
  2. 2 Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
  3. 3 Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.
  4. 4 Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon’ ny ratsy fanahy Izy.
  5. 5 Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an’ i Ziona
  6. 6 Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;
  7. 7 Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin’ izany;
  8. 8 Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗