로그인

시편 128편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 6절

  1. 1 Sambatra izay rehetra matahotra an’ i Jehovah, Dia izay mandeha amin’ ny lalany.
  2. 2 Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.
  3. 3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao.
  4. 4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah.
  5. 5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao.
  6. 6 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗