로그인

시편 130편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절

  1. 1 Tao amin’ ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
  2. 2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ ny fifonako.
  3. 3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
  4. 4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
  5. 5 Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
  6. 6 Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin’ ny mpiambina ny maraina.
  7. 7 Manantenà an’ i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin’ i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;
  8. 8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin’ ny helony rehetra.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗