시편 122편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절
- 1 Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah.
- 2 Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,
- 3 Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;
- 4 Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.
- 5 Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida.
- 6 Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;
- 7 Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao
- 8 Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.
- 9 Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗