로그인

시편 121편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절

  1. 1 Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy?
  2. 2 Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
  3. 3 Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
  4. 4 Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
  5. 5 Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao.
  6. 6 Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
  7. 7 Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
  8. 8 Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗