시편 122편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah. | I was glad when they said unto me, Let us go into the house of the Lord. |
| 2 | Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô, | Our feet shall stand within thy gates, O Jerusalem. |
| 3 | Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara; | Jerusalem is builded as a city that is compact together: |
| 4 | Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah. | Whither the tribes go up, the tribes of the Lord, unto the testimony of Israel, to give thanks unto the name of the Lord. |
| 5 | Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida. | For there are set thrones of judgment, the thrones of the house of David. |
| 6 | Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao; | Pray for the peace of Jerusalem: they shall prosper that love thee. |
| 7 | Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao | Peace be within thy walls, and prosperity within thy palaces. |
| 8 | Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao. | For my brethren and companions’ sakes, I will now say, Peace be within thee. |
| 9 | Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho. | Because of the house of the Lord our God I will seek thy good. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL