시편 121편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy? | I will lift up mine eyes unto the hills, from whence cometh my help. |
| 2 | Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. | My help cometh from the Lord, which made heaven and earth. |
| 3 | Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. | He will not suffer thy foot to be moved: he that keepeth thee will not slumber. |
| 4 | Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. | Behold, he that keepeth Israel shall neither slumber nor sleep. |
| 5 | Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao. | The Lord is thy keeper: the Lord is thy shade upon thy right hand. |
| 6 | Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina. | The sun shall not smite thee by day, nor the moon by night. |
| 7 | Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. | The Lord shall preserve thee from all evil: he shall preserve thy soul. |
| 8 | Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. | The Lord shall preserve thy going out and thy coming in from this time forth, and even for evermore. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL