로그인

시편 120편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 7절

  1. 1 Jehovah no nitarainako tamin’ ny fahoriako dia namaly ahy Izy,
  2. 2 Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin’ ny molotra mandainga, Eny, amin’ ny lela mamitaka
  3. 3 Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
  4. 4 Zana-tsipìkan’ ny mahery sady voaranitra, Mbamin’ ny vain’ afon’ anjavidy.
  5. 5 Lozako, fa mivahiny eto amin’ ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain’ ny Kedarita!
  6. 6 Ela loatra izay no nitoeran’ ny fanahiko teo amin’ Izay tsy tia fihavanana.
  7. 7 Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗