시편 119편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 176절
- 1 Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah.
- 2 Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ ny fo rehetra;
- 3 Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany.
- 4 Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara.
- 5 Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao!
- 6 Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra.
- 7 Hidera Anao amin’ ny hitsim-po aho Amin’ ny ianarako ny fitsipikao marina.
- 8 Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao.
- 9 Inona no hiarovan’ ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao.
- 10 Tamin’ ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin’ ny didinao aho.
- 11 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
- 12 Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao.
- 13 Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao.
- 14 Ny lalan’ ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin’ ny harena rehetra.
- 15 Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao.
- 16 Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
- 17 Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao.
- 18 Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao.
- 19 Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao.
- 20 Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva.
- 21 Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao.
- 22 Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho.
- 23 Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao.
- 24 Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany.
- 25 Miraikitra amin’ ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao.
- 26 Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao.
- 27 Ampahalalao ahy ny lalan’ ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao.
- 28 Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao.
- 29 Ny lalan’ ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy.
- 30 Ny lalàn’ ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.
- 31 Mifikitra amin’ ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho;
- 32 Ny lalan’ ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
- 33 Jehovah ô, toroy ny lalan’ ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ ny farany izany.
- 34 Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho.
- 35 Ampandehano amin’ ny lalan’ ny didinao aho; Fa izany no sitrako.
- 36 Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana.
- 37 Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ ny lalanao aho.
- 38 Tovy ny teninao amin’ ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra.
- 39 Esory ny fahafaham-baraka, izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao.
- 40 Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ ny fahamarinanao.
- 41 Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
- 42 Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao.
- 43 Ary aza dia esorina amin’ ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho.
- 44 Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria.
- 45 Ary handeha amin’ ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
- 46 Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra.
- 47 Ary hiravoravo amin’ ny didinao aho Satria tiako ireny.
- 48 Hasandratro ny tanako ho amin’ ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao.
- 49 Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy.
- 50 Izao no mampionona ahy amin’ ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy.
- 51 Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin’ ny lalànao aho.
- 52 Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho.
- 53 Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
- 54 Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin’ ny trano fivahiniako.
- 55 Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao.
- 56 Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho.
- 57 Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho.
- 58 Mifona aminao amin’ ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao.
- 59 Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin’ ny teni-vavolombelonao.
- 60 Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ ny fitandremana ny didinao.
- 61 Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho.
- 62 Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina.
- 63 Naman’ izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’ izay mitandrina ny didinao.
- 64 Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao.
- 65 Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao.
- 66 Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho.
- 67 Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
- 68 Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao.
- 69 Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ ny foko rehetra no itandremako ny didinao.
- 70 Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako.
- 71 Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao.
- 72 Ny lalàn’ ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo.
- 73 Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao.
- 74 Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako.
- 75 Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy.
- 76 Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ ny mpanomponao.
- 77 Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako.
- 78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao.
- 79 Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao.
- 80 Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho.
- 81 Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako.
- 82 Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao?
- 83 Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko.
- 84 Hoatrinona no andron’ ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin’ izay manenjika ahy Hianao?
- 85 Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao.
- 86 Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho.
- 87 Saiky laniny teo amin’ ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao.
- 88 Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho.
- 89 Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao.
- 90 Hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy.
- 91 Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
- 92 Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin’ ny fahoriako aho.
- 93 Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy.
- 94 Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko.
- 95 Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho
- 96 Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao.
- 97 Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
- 98 Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny.
- 99 Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako.
- 100 Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako.
- 101 Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’ izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao.
- 102 Tsy mba miala amin’ ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy.
- 103 Endrey ny hamamin’ ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza!
- 104 Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra.
- 105 Fanilon’ ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
- 106 Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.
- 107 Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao.
- 108 Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao.
- 109 An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho.
- 110 Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin’ ny didinao aho.
- 111 Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany.
- 112 Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ ny farany.
- 113 Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako.
- 114 Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako.
- 115 Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin’ Andriamanitro.
- 116 Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ ny fanantenako aho.
- 117 Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva.
- 118 Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany.
- 119 Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao.
- 120 Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho.
- 121 Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin’ ny mpampahory ahy.
- 122 Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha.
- 123 Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin’ ny fahamarinanao.
- 124 Ataovy amin’ ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
- 125 Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao.
- 126 Efa andro tokony hampisehoan’ i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona.
- 127 Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza.
- 128 Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra;
- 129 Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko.
- 130 Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina.
- 131 Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko.
- 132 Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’ izay tia ny anaranao.
- 133 Ampitoero eo amin’ ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
- 134 Vonjeo amin’ ny fampahorian’ ny olona Dia hitandrina ny didinao.
- 135 Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao.
- 136 Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao.
- 137 Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao.
- 138 Efa voadidinao amin’ ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao.
- 139 Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy.
- 140 Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao, Ka dia tian’ ny mpanomponao.
- 141 Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao.
- 142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao.
- 143 Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako.
- 144 Ny fahamarinan’ ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona.
- 145 Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako;
- 146 Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao.
- 147 Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako.
- 148 Nialoha ny fiambenana amin’ ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao.
- 149 Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao.
- 150 Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao.
- 151 Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra.
- 152 Efa fantatro ela tamin’ ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny.
- 153 Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko.
- 154 Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao.
- 155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny.
- 156 Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao.
- 157 Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin’ ny teni-vavolombelonao aho.
- 158 Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao.
- 159 He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao.
- 160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra.
- 161 Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran’ ny foko.
- 162 Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be.
- 163 Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako.
- 164 Impito isan’ andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina.
- 165 Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
- 166 Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao.
- 167 Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy.
- 168 Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao.
- 169 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao.
- 170 Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao.
- 171 Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao.
- 172 Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra.
- 173 Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho.
- 174 Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako.
- 175 Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao.
- 176 Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗