시편 12편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절
- 2 Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.
- 3 Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany.
- 4 Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
- 5 Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?
- 6 Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany.
- 7 Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito.
- 8 Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity.
- 9 Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗