로그인

시편 13편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 5절

  1. 2 Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?
  2. 3 Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan’ andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ ny fahavaloko ho amboniko?
  3. 4 Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;
  4. 5 Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.
  5. 6 Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin’ ny famonjenao ny foko. Hihira ho an’ i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗