시편 12편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Help, Lord; for the godly man ceaseth; for the faithful fail from among the children of men. |
| 2 | Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona. | They speak vanity every one with his neighbour: with flattering lips and with a double heart do they speak. |
| 3 | Samy milaza lainga amin’ ny namany amin’ ny molotra mandrobo izy; fo mamorom-pitaka no itenenany. | The Lord shall cut off all flattering lips, and the tongue that speaketh proud things: |
| 4 | Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona, | Who have said, With our tongue will we prevail; our lips are our own: who is lord over us? |
| 5 | Izay manao hoe: hampahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray; iza no tomponay? | For the oppression of the poor, for the sighing of the needy, now will I arise, saith the Lord; I will set him in safety from him that puffeth at him. |
| 6 | Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ ny malahelo, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah; hovonjeko izay vingavingain’ ny sasany. | The words of the Lord are pure words: as silver tried in a furnace of earth, purified seven times. |
| 7 | Ny tenin’ i Jehovah dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ ny memy ka mitsoriaka amin’ ny tany eny, voadio impito. | Thou shalt keep them, O Lord, thou shalt preserve them from this generation for ever. |
| 8 | Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy, Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ ity taranaka ity. | The wicked walk on every side, when the vilest men are exalted. |
| 9 | Raha avy izay isandratan’ ny tsinontsinona eo amin’ ny zanak’ olombelona, dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy. Fitarainana ataon’ izay azom-pahoriana mafy loatra. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL