시편 119편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 176절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Sambatra ny mahitsy lalana, Izay mandeha araka ny lalàn’ i Jehovah. | Blessed are the undefiled in the way, who walk in the law of the Lord. |
| 2 | Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony Ka mitady Azy amin’ ny fo rehetra; | Blessed are they that keep his testimonies, and that seek him with the whole heart. |
| 3 | Eny, Izay tsy manao ratsy. Fa mandeha araka ny lalany. | They also do no iniquity: they walk in his ways. |
| 4 | Hianao namoaka ny didinao Mba hotandremana tsara. | Thou hast commanded us to keep thy precepts diligently. |
| 5 | Enga anie ka ho tafatoetra ny lalako Hitandremako ny didinao! | O that my ways were directed to keep thy statutes! |
| 6 | Dia tsy ho menatra aho, Raha mandinika ny didinao rehetra. | Then shall I not be ashamed, when I have respect unto all thy commandments. |
| 7 | Hidera Anao amin’ ny hitsim-po aho Amin’ ny ianarako ny fitsipikao marina. | I will praise thee with uprightness of heart, when I shall have learned thy righteous judgments. |
| 8 | Ny didinao no hotandremako; Aza dia mahafoy ahy Hianao. | I will keep thy statutes: O forsake me not utterly. |
| 9 | Inona no hiarovan’ ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. | Wherewithal shall a young man cleanse his way? by taking heed thereto according to thy word. |
| 10 | Tamin’ ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin’ ny didinao aho. | With my whole heart have I sought thee: O let me not wander from thy commandments. |
| 11 | Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao. | Thy word have I hid in mine heart, that I might not sin against thee. |
| 12 | Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao. | Blessed art thou, O Lord: teach me thy statutes. |
| 13 | Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. | With my lips have I declared all the judgments of thy mouth. |
| 14 | Ny lalan’ ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin’ ny harena rehetra. | I have rejoiced in the way of thy testimonies, as much as in all riches. |
| 15 | Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao. | I will meditate in thy precepts, and have respect unto thy ways. |
| 16 | Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao. | I will delight myself in thy statutes: I will not forget thy word. |
| 17 | Asio soa aho mpanomponao, mba ho velona Ka hitandrina ny teninao. | Deal bountifully with thy servant, that I may live, and keep thy word. |
| 18 | Ampahirato ny masoko, mba hahitako Zava-mahagaga ao amin’ ny lalànao. | Open thou mine eyes, that I may behold wondrous things out of thy law. |
| 19 | Vahiny etỳ an-tany aho; Aza afeninao ahy ny didinao. | I am a stranger in the earth: hide not thy commandments from me. |
| 20 | Torotoro ny fanahiko noho ny faniriany Ny fitsipikao mandrakariva. | My soul breaketh for the longing that it hath unto thy judgments at all times. |
| 21 | Voateninao mafy ny mpirehareha, dia ny olom-boaozona, Izay mania miala amin’ ny didinao. | Thou hast rebuked the proud that are cursed, which do err from thy commandments. |
| 22 | Esory amiko ny fahafaham-baraka sy ny fanamavoana: Fa efa nitandrina ny teni-vavolombelonao aho. | Remove from me reproach and contempt; for I have kept thy testimonies. |
| 23 | Na dia ny mpanapaka aza dia mipetraka, ka iokoany aho; Izaho mpanomponao misaintsaina ny didinao. | Princes also did sit and speak against me: but thy servant did meditate in thy statutes. |
| 24 | Ny teni-vavolombelonao koa no firavoravoako, Eny, mpanolo-tsaina ahy izany. | Thy testimonies also are my delight and my counsellors. |
| 25 | Miraikitra amin’ ny vovoka ny fanahiko; Velomy aho araka ny teninao. | My soul cleaveth unto the dust: quicken thou me according to thy word. |
| 26 | Ny lalako no nolazaiko, ary namaly ahy Hianao: Ampianaro ahy ny didinao. | I have declared my ways, and thou heardest me: teach me thy statutes. |
| 27 | Ampahalalao ahy ny lalan’ ny didinao; Dia hoheveriko ny fahagagana nataonao. | Make me to understand the way of thy precepts: so shall I talk of thy wondrous works. |
| 28 | Mipotrapotra-dranomaso aho noho ny alaheloko; Ampaherezo aho araka ny teninao. | My soul melteth for heaviness: strengthen thou me according unto thy word. |
| 29 | Ny lalan’ ny lainga no esory amiko: Ary ny lalànao no anasoavy ahy. | Remove from me the way of lying: and grant me thy law graciously. |
| 30 | Ny lalàn’ ny fahamarinanao no fidiko; Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao. | I have chosen the way of truth: thy judgments have I laid before me. |
| 31 | Mifikitra amin’ ny teni-vavolombelonao aho; Jehovah ô, aza avela ho azon-kenatra aho; | I have stuck unto thy testimonies: O Lord, put me not to shame. |
| 32 | Ny lalan’ ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko. | I will run the way of thy commandments, when thou shalt enlarge my heart. |
| 33 | Jehovah ô, toroy ny lalan’ ny didinao aho; Dia hotandremako hatramin’ ny farany izany. | Teach me, O Lord, the way of thy statutes; and I shall keep it unto the end. |
| 34 | Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho. | Give me understanding, and I shall keep thy law; yea, I shall observe it with my whole heart. |
| 35 | Ampandehano amin’ ny lalan’ ny didinao aho; Fa izany no sitrako. | Make me to go in the path of thy commandments; for therein do I delight. |
| 36 | Amporisiho ny foko ho amin’ ny teni-vavolombelonao, Fa tsy ho amin’ ny fieremana. | Incline my heart unto thy testimonies, and not to covetousness. |
| 37 | Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; Velomy amin’ ny lalanao aho. | Turn away mine eyes from beholding vanity; and quicken thou me in thy way. |
| 38 | Tovy ny teninao amin’ ny mpanomponao, Izay matahotra Anao indrindra. | Stablish thy word unto thy servant, who is devoted to thy fear. |
| 39 | Esory ny fahafaham-baraka, izay atahorako; Fa tsara ny fitsipikao. | Turn away my reproach which I fear: for thy judgments are good. |
| 40 | Indro, manina ny didinao aho, Velomy amin’ ny fahamarinanao. | Behold, I have longed after thy precepts: quicken me in thy righteousness. |
| 41 | Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô, Dia ny famonjenao, araka ny teninao. | Let thy mercies come also unto me, O Lord, even thy salvation, according to thy word. |
| 42 | Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho, Satria matoky ny teninao. | So shall I have wherewith to answer him that reproacheth me: for I trust in thy word. |
| 43 | Ary aza dia esorina amin’ ny vavako ny teny marina; Fa miandry ny fitsaranao aho. | And take not the word of truth utterly out of my mouth; for I have hoped in thy judgments. |
| 44 | Dia hitandrina ny lalinao mandrakariva aho, Dia mandrakizay doria. | So shall I keep thy law continually for ever and ever. |
| 45 | Ary handeha amin’ ny malalaka aho; Fa ny didinao no tadiaviko. | And I will walk at liberty: for I seek thy precepts. |
| 46 | Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ ireo mpanjaka aho Ka tsy ho menatra. | I will speak of thy testimonies also before kings, and will not be ashamed. |
| 47 | Ary hiravoravo amin’ ny didinao aho Satria tiako ireny. | And I will delight myself in thy commandments, which I have loved. |
| 48 | Hasandratro ny tanako ho amin’ ny didinao satria tiako ireny: Hosaintsainiko ny didinao. | My hands also will I lift up unto thy commandments, which I have loved; and I will meditate in thy statutes. |
| 49 | Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao Izay nampanantenanao ahy. | Remember the word unto thy servant, upon which thou hast caused me to hope. |
| 50 | Izao no mampionona ahy amin’ ny fahoriako; Ny teninao no mamelona ahy. | This is my comfort in my affliction: for thy word hath quickened me. |
| 51 | Ny mpirehareha maniratsira ahy: Tsy mba mivily miala amin’ ny lalànao aho. | The proud have had me greatly in derision: yet have I not declined from thy law. |
| 52 | Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ ny taloha aho, Jehovah ô, Dia mionona aho. | I remembered thy judgments of old, O Lord; and have comforted myself. |
| 53 | Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy Noho ny amin’ ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao. | Horror hath taken hold upon me because of the wicked that forsake thy law. |
| 54 | Ny didinao no ataoko an-kira Ao amin’ ny trano fivahiniako. | Thy statutes have been my songs in the house of my pilgrimage. |
| 55 | Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô, Ka mitandrina ny lalànao. | I have remembered thy name, O Lord, in the night, and have kept thy law. |
| 56 | Izao no ahy: Mitandrina ny didinao aho. | This I had, because I kept thy precepts. |
| 57 | Anjarako Jehovah; Minia mitandrina ny teninao aho. | Thou art my portion, O Lord: I have said that I would keep thy words. |
| 58 | Mifona aminao amin’ ny foko rehetra aho: Mamindrà fo amiko araka ny teninao. | I intreated thy favour with my whole heart: be merciful unto me according to thy word. |
| 59 | Mihevitra ny lalako aho Ka mamerina ny tongotro ho amin’ ny teni-vavolombelonao. | I thought on my ways, and turned my feet unto thy testimonies. |
| 60 | Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ ny fitandremana ny didinao. | I made haste, and delayed not to keep thy commandments. |
| 61 | Nihodidina tamiko ny famato-ran’ ny ratsy fanahy; Tsy mba nanadino ny lalànao aho. | The bands of the wicked have robbed me: but I have not forgotten thy law. |
| 62 | Mamatonalina no hifohazako hidera Anao Noho ny fitsipikao marina. | At midnight I will rise to give thanks unto thee because of thy righteous judgments. |
| 63 | Naman’ izay rehetra matahotra Anao aho Sy naman’ izay mitandrina ny didinao. | I am a companion of all them that fear thee, and of them that keep thy precepts. |
| 64 | Jehovah ô, henika ny famindram-ponao ny tany; Ampianaro ahy ny didinao. | The earth, O Lord, is full of thy mercy: teach me thy statutes. |
| 65 | Jehovah ô, efa nasianao soa ny mpanomponao, Araka ny teninao. | Thou hast dealt well with thy servant, O Lord, according unto thy word. |
| 66 | Ampianaro fahafantarana tsara sy fahalalana aho, Fa matoky ny didinao aho. | Teach me good judgment and knowledge: for I have believed thy commandments. |
| 67 | Fony tsy mbola azom-pahoriana aho, dia naniasia; Fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho. | Before I was afflicted I went astray: but now have I kept thy word. |
| 68 | Sady tsara Hianao no Mpanao ny tsara; Ampianaro ahy ny didinao. | Thou art good, and doest good; teach me thy statutes. |
| 69 | Namoron-dainga hamelezana ahy ny mpirehareha; Amin’ ny foko rehetra no itandremako ny didinao. | The proud have forged a lie against me: but I will keep thy precepts with my whole heart. |
| 70 | Matavy tahaka ny menaka ny fony; Fa izaho kosa, dia ny lalànao no iravoravoako. | Their heart is as fat as grease; but I delight in thy law. |
| 71 | Soa ihany aho nampahorina, Mba hianarako ny didinao. | It is good for me that I have been afflicted; that I might learn thy statutes. |
| 72 | Ny lalàn’ ny vavanao no mahatsara ahy Mihoatra noho ny volamena sy ny volafotsy tsy omby arivo. | The law of thy mouth is better unto me than thousands of gold and silver. |
| 73 | Ny tananao nanao ahy sy namboatra ahy; Ampianaro aho, mba hianarako ny didinao. | Thy hands have made me and fashioned me: give me understanding, that I may learn thy commandments. |
| 74 | Izay matahotra Anao hahita ahy ka ho faly; Fa ny teninao no andrasako. | They that fear thee will be glad when they see me; because I have hoped in thy word. |
| 75 | Fantatro, Jehovah ô, fa marina ny fitsaranao. Ary ny fahamarinanao no nampahorianao ahy. | I know, O Lord, that thy judgments are right, and that thou in faithfulness hast afflicted me. |
| 76 | Ny famindram-ponao anie no hampiononana ahy Araka ny teninao tamin’ ny mpanomponao. | Let, I pray thee, thy merciful kindness be for my comfort, according to thy word unto thy servant. |
| 77 | Aoka ho tonga amiko ny fiantranao, mba ho velona aho; Fa ny lalànao no firavoravoako. | Let thy tender mercies come unto me, that I may live: for thy law is my delight. |
| 78 | Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana izy; Izaho hisaintsaina ny didinao. | Let the proud be ashamed; for they dealt perversely with me without a cause: but I will meditate in thy precepts. |
| 79 | Aoka hiverina amiko izay matahotra Anao Sy izay mahalala ny teni-vavolombelonao. | Let those that fear thee turn unto me, and those that have known thy testimonies. |
| 80 | Aoka ho marina tsara ny foko amin’ ny fitanana ny didinao, Mba tsy ho menatra aho. | Let my heart be sound in thy statutes; that I be not ashamed. |
| 81 | Ritra ny aiko, satria manina ny famonjenao aho; Ny teninao no andrasako. | My soul fainteth for thy salvation: but I hope in thy word. |
| 82 | Pahina ny masoko miandry ny teninao, Ka hoy izaho: Rahoviana no hampionona ahy Hianao? | Mine eyes fail for thy word, saying, When wilt thou comfort me? |
| 83 | Fa tahaka ny siny hoditra ao amin’ ny setroka aho. Nefa ny didinao tsy mba hadinoiko. | For I am become like a bottle in the smoke; yet do I not forget thy statutes. |
| 84 | Hoatrinona no andron’ ny mpanomponao? Rahoviana no hanao fitsarana amin’ izay manenjika ahy Hianao? | How many are the days of thy servant? when wilt thou execute judgment on them that persecute me? |
| 85 | Efa nanao longoa hianjerako ny mpirehareha, Dia izay tsy manaraka ny lalànao. | The proud have digged pits for me, which are not after thy law. |
| 86 | Marina ny didinao rehetra; Manenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana ireny; vonjeo aho. | All thy commandments are faithful: they persecute me wrongfully; help thou me. |
| 87 | Saiky laniny teo amin’ ny tany aho, Kanefa tsy mba mahafoy ny didinao. | They had almost consumed me upon earth; but I forsook not thy precepts. |
| 88 | Velomy aho araka ny famindram-ponao; Dia hitandrina ny teni-vavolombelona naloaky ny vavanao aho. | Quicken me after thy lovingkindness; so shall I keep the testimony of thy mouth. |
| 89 | Ho mandrakizay, Jehovah ô, No nanorenanao any an-danitra ny teninao. | For ever, O Lord, thy word is settled in heaven. |
| 90 | Hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby ny fahamarinanao; Efa nampitoetra ny tany Hianao, ka, indro, mitoetra izy. | Thy faithfulness is unto all generations: thou hast established the earth, and it abideth. |
| 91 | Hanefa ny fitsaranao no itoerany mandraka androany; Fa mpanomponao ny zavatra rehetra. | They continue this day according to thine ordinances: for all are thy servants. |
| 92 | Raha tsy ny lalànao no niravoravoako, Dia maty tamin’ ny fahoriako aho. | Unless thy law had been my delights, I should then have perished in mine affliction. |
| 93 | Tsy hohadinoiko mandrakizay ny didinao; Fa ireny no amelomanao ahy. | I will never forget thy precepts: for with them thou hast quickened me. |
| 94 | Anao aho, vonjeo aho; Fa ny didinao no tadiaviko. | I am thine, save me; for I have sought thy precepts. |
| 95 | Miandry ahy ny ratsy fanahy mba hahafaty ahy; Mandinika ny teni-vavolombelonao aho | The wicked have waited for me to destroy me: but I will consider thy testimonies. |
| 96 | Efa hitako fa manam-pahataperana avokoa ny tanteraka rehetra; Malalaka indrindra ny didinao. | I have seen an end of all perfection: but thy commandment is exceeding broad. |
| 97 | Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany. | O how love I thy law! it is my meditation all the day. |
| 98 | Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, Satria ato amiko mandrakizay ireny. | Thou through thy commandments hast made me wiser than mine enemies: for they are ever with me. |
| 99 | Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako. | I have more understanding than all my teachers: for thy testimonies are my meditation. |
| 100 | Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako. | I understand more than the ancients, because I keep thy precepts. |
| 101 | Efa narovako ny tongotro tsy ho amin’ izay lalàn-dratsy, Mba hitandremako ny teninao. | I have refrained my feet from every evil way, that I might keep thy word. |
| 102 | Tsy mba miala amin’ ny fitsipikao aho; Fa Hianao no mampianatra ahy. | I have not departed from thy judgments: for thou hast taught me. |
| 103 | Endrey ny hamamin’ ny teninao, raha andramako! Mihoatra noho ny tantely ato am-bavako aza! | How sweet are thy words unto my taste! yea, sweeter than honey to my mouth! |
| 104 | Ny didinao no nahazoako fahalalana; Izany no ankahalako ny lalam-pitaka rehetra. | Through thy precepts I get understanding: therefore I hate every false way. |
| 105 | Fanilon’ ny tongotro Sy fanazavana ny lalako ny teninao. | Thy word is a lamp unto my feet, and a light unto my path. |
| 106 | Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany. | I have sworn, and I will perform it, that I will keep thy righteous judgments. |
| 107 | Ampahorina indrindra aho; Jehovah ô, velomy aho araka ny teninao. | I am afflicted very much: quicken me, O Lord, according unto thy word. |
| 108 | Jehovah ô, aoka anie mba hankasitrahanao ny fanati-tsitrapo aloaky ny vavako, Ary ampianaro ahy ny fitsipikao. | Accept, I beseech thee, the freewill offerings of my mouth, O Lord, and teach me thy judgments. |
| 109 | An-tenda ihany ny aiko mandrakariva; Kanefa tsy manadino ny lalànao aho. | My soul is continually in my hand: yet do I not forget thy law. |
| 110 | Ny ratsy fanahy mamela-pandrika haningotra ahy; Kanefa tsy mania miala amin’ ny didinao aho. | The wicked have laid a snare for me: yet I erred not from thy precepts. |
| 111 | Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany. | Thy testimonies have I taken as an heritage for ever: for they are the rejoicing of my heart. |
| 112 | Apetrako ny foko hankatò ny didinao Mandrakizay hatramin’ ny farany. | I have inclined mine heart to perform thy statutes alway, even unto the end. |
| 113 | Halako ny mpiroa saina; Fa ny lalànao no tiako. | I hate vain thoughts: but thy law do I love. |
| 114 | Fiereko sy ampingako Hianao; Ny teninao no andrasako. | Thou art my hiding place and my shield: I hope in thy word. |
| 115 | Mialà amiko ianareo mpanao ratsy, Mba hitandremako ny didin’ Andriamanitro. | Depart from me, ye evildoers: for I will keep the commandments of my God. |
| 116 | Tohàny aho araka ny teninao, mba ho velona, Ary aoka tsy ho menatra amin’ ny fanantenako aho. | Uphold me according unto thy word, that I may live: and let me not be ashamed of my hope. |
| 117 | Tohàny aho mba ho voavonjy, Ka ho faly hijery ny didinao mandrakariva. | Hold thou me up, and I shall be safe: and I will have respect unto thy statutes continually. |
| 118 | Ataonao tsinontsinona izay rehetra mania amin’ ny didinao; Fa famitahan-tena ihany ny laingany. | Thou hast trodden down all them that err from thy statutes: for their deceit is falsehood. |
| 119 | Efa nataonao fanary tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany; Izany no itiavako ny teni-vavolombelonao. | Thou puttest away all the wicked of the earth like dross: therefore I love thy testimonies. |
| 120 | Mipararetra ny nofoko ny fahatahorana Anao, Ary matahotra ny fitsaranao aho. | My flesh trembleth for fear of thee; and I am afraid of thy judgments. |
| 121 | Manaraka ny fitsipika sy ny fahamarinana aho; Aza manolotra ahy ho amin’ ny mpampahory ahy. | I have done judgment and justice: leave me not to mine oppressors. |
| 122 | Iantohy mba ho soa ny mpanomponao; Aza avela hampahory ahy ny mpirehareha. | Be surety for thy servant for good: let not the proud oppress me. |
| 123 | Pahina ny masoko miandry ny famonjenao. Sy ny tenin’ ny fahamarinanao. | Mine eyes fail for thy salvation, and for the word of thy righteousness. |
| 124 | Ataovy amin’ ny mpanomponao araka ny famindram-ponao; Ary ampianaro ahy ny didinao. | Deal with thy servant according unto thy mercy, and teach me thy statutes. |
| 125 | Mpanomponao aho, ka ampianaro, Mba ho fantatro ny teni-vavolombelonao. | I am thy servant; give me understanding, that I may know thy testimonies. |
| 126 | Efa andro tokony hampisehoan’ i Jehovah ny heriny izao; Fa nandika ny lalànao ny olona. | It is time for thee, Lord, to work: for they have made void thy law. |
| 127 | Izany no itiavako ny didinao mihoatra noho ny volamena, Eny, noho ny tena volamena aza. | Therefore I love thy commandments above gold; yea, above fine gold. |
| 128 | Izany no iheverako ny didy rehetra ho marina avokoa; Halako ny lalam-pitaka rehetra; | Therefore I esteem all thy precepts concerning all things to be right; and I hate every false way. |
| 129 | Mahagaga ny teni-vavolombelonao, Ka dia mitandrina azy ny fanahiko. | Thy testimonies are wonderful: therefore doth my soul keep them. |
| 130 | Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina. | The entrance of thy words giveth light; it giveth understanding unto the simple. |
| 131 | Mitanatana vava aho ka mihanahana, Fa ny didinao no iriko. | I opened my mouth, and panted: for I longed for thy commandments. |
| 132 | Todiho aho, ka mamindrà fo amiko, Araka ny tokony ho anjaran’ izay tia ny anaranao. | Look thou upon me, and be merciful unto me, as thou usest to do unto those that love thy name. |
| 133 | Ampitoero eo amin’ ny teninao ny diako; Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana. | Order my steps in thy word: and let not any iniquity have dominion over me. |
| 134 | Vonjeo amin’ ny fampahorian’ ny olona Dia hitandrina ny didinao. | Deliver me from the oppression of man: so will I keep thy precepts. |
| 135 | Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; Ary ampianaro ahy ny didinao. | Make thy face to shine upon thy servant; and teach me thy statutes. |
| 136 | Rano mandriaka no mijononoka amin’ ny masoko Noho ny tsi-fitandreman’ ny olona ny lalànao. | Rivers of waters run down mine eyes, because they keep not thy law. |
| 137 | Marina Hianao, Jehovah ô, Ary mahitsy ny fitsipikao. | Righteous art thou, O Lord, and upright are thy judgments. |
| 138 | Efa voadidinao amin’ ny fahamarinana Sy ny fahatokiana indrindra ny teni-vavolombelonao. | Thy testimonies that thou hast commanded are righteous and very faithful. |
| 139 | Efa maharitra aina ahy ny fahasaro-piaroko, Satria nanadino ny teninao ny mpandrafy ahy. | My zeal hath consumed me, because mine enemies have forgotten thy words. |
| 140 | Voazaha toetra tamin’ ny memy ny teninao, Ka dia tian’ ny mpanomponao. | Thy word is very pure: therefore thy servant loveth it. |
| 141 | Kely aho ka natao ho tsinontsinona; Nefa tsy hadinoiko ny didinao. | I am small and despised: yet do not I forget thy precepts. |
| 142 | Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, Ary marina ny lalànao. | Thy righteousness is an everlasting righteousness, and thy law is the truth. |
| 143 | Fahoriana sy fahaterena no nahazo ahy; Ny didinao no firavoravoako. | Trouble and anguish have taken hold on me: yet thy commandments are my delights. |
| 144 | Ny fahamarinan’ ny teni-vavolombelonao dia mandrakizay; Ampianaro aho, mba ho velona. | The righteousness of thy testimonies is everlasting: give me understanding, and I shall live. |
| 145 | Ny foko rehetra no nentiko nitaraina hoe: Valio aho, Jehovah ô; Ny didinao no hotandremako; | I cried with my whole heart; hear me, O Lord: I will keep thy statutes. |
| 146 | Nitaraina taminao aho nanao hoe Vonjeo aho, Dia hitandrina ny didinao. | I cried unto thee; save me, and I shall keep thy testimonies. |
| 147 | Raha mbola tsy nazavaratsy aza ny andro, dia nitaraina aho; Ny teninao no andrasako. | I prevented the dawning of the morning, and cried: I hoped in thy word. |
| 148 | Nialoha ny fiambenana amin’ ny alina ny masoko, Mba hisaintsainako ny teninao. | Mine eyes prevent the night watches, that I might meditate in thy word. |
| 149 | Henoy ny feoko araka ny famindram-ponao, Jehovah ô, Velomy aho araka ny fitsipikao. | Hear my voice according unto thy lovingkindness: O Lord, quicken me according to thy judgment. |
| 150 | Efa mby akaiky izay fatra-panaraka ny ratsy, Dia izay manalavitra ny lalànao. | They draw nigh that follow after mischief: they are far from thy law. |
| 151 | Akaiky Hianao, Jehovah ô; Ary marina ny didinao rehetra. | Thou art near, O Lord; and all thy commandments are truth. |
| 152 | Efa fantatro ela tamin’ ny teni-vavolombelonao Fa nampitoerinao ho mandrakizay ireny. | Concerning thy testimonies, I have known of old that thou hast founded them for ever. |
| 153 | Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; Fa ny lalànao tsy mba hadinoiko. | Consider mine affliction, and deliver me: for I do not forget thy law. |
| 154 | Soloy vava aho, ka vonjeo; Velomy aho araka ny teninao. | Plead my cause, and deliver me: quicken me according to thy word. |
| 155 | Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, Satria ny didinao tsy tadiaviny. | Salvation is far from the wicked: for they seek not thy statutes. |
| 156 | Lehibe ny antranao, Jehovah ô; Velomy aho araka ny fitsipikao. | Great are thy tender mercies, O Lord: quicken me according to thy judgments. |
| 157 | Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; Tsy mba niala tamin’ ny teni-vavolombelonao aho. | Many are my persecutors and mine enemies; yet do I not decline from thy testimonies. |
| 158 | Mijery ny mpivadika aho, ka maharikoriko ahy ireny, Dia izay tsy nitandrina ny teninao. | I beheld the transgressors, and was grieved; because they kept not thy word. |
| 159 | He ny fitiavako ny didinao! Jehovah ô, velomy aho araka ny famindram-ponao. | Consider how I love thy precepts: quicken me, O Lord, according to thy lovingkindness. |
| 160 | Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao; Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. | Thy word is true from the beginning: and every one of thy righteous judgments endureth for ever. |
| 161 | Na dia ny mpanapaka aza dia nanenjika ahy tsy ahoan-tsy ahoana; Nefa ny teninao no atahoran’ ny foko. | Princes have persecuted me without a cause: but my heart standeth in awe of thy word. |
| 162 | Faly aho noho ny teninao Tahaka ny mahazo babo be. | I rejoice at thy word, as one that findeth great spoil. |
| 163 | Halako ny lainga ka ataoko ho fahavetavetana; Ny lalànao no tiako. | I hate and abhor lying: but thy law do I love. |
| 164 | Impito isan’ andro no iderako Anao Noho ny fitsipikao marina. | Seven times a day do I praise thee because of thy righteous judgments. |
| 165 | Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy. | Great peace have they which love thy law: and nothing shall offend them. |
| 166 | Miandry ny famonjenao aho, Jehovah ô, Ka mankatò ny didinao. | Lord, I have hoped for thy salvation, and done thy commandments. |
| 167 | Mitandrina ny teni-vavolombelonao ny fanahiko, Ka tiako indrindra izy. | My soul hath kept thy testimonies; and I love them exceedingly. |
| 168 | Mitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao aho; Fa ny lalan-kalehako rehetra dia eo anatrehanao. | I have kept thy precepts and thy testimonies: for all my ways are before thee. |
| 169 | Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fitarainako, Jehovah ô; Ampianaro aho araka ny teninao. | Let my cry come near before thee, O Lord: give me understanding according to thy word. |
| 170 | Aoka anie ho tonga eo anatrehanao ny fifonako; Vonjeo aho araka ny teninao. | Let my supplication come before thee: deliver me according to thy word. |
| 171 | Aoka hiboiboika fiderana ny molotro, Fa ampianarinao ahy ny didinao. | My lips shall utter praise, when thou hast taught me thy statutes. |
| 172 | Hihira ny teninao ny lelako, Fa marina ny didinao rehetra. | My tongue shall speak of thy word: for all thy commandments are righteousness. |
| 173 | Aoka anie hamonjy ahy ny tananao; Fa efa nifidy ny didinao aho. | Let thine hand help me; for I have chosen thy precepts. |
| 174 | Efa manina ny famonjenao aho, Jehovah ô; Ary ny lalànao no firavoravoako. | I have longed for thy salvation, O Lord; and thy law is my delight. |
| 175 | Aoka anie ho velona ny fanahiko ka hidera Anao; Ary aoka anie hamonjy ahy ny fitsaranao. | Let my soul live, and it shall praise thee; and let thy judgments help me. |
| 176 | Efa nania aho; tadiavo ny mpanomponao toy ny fitady ondry very; Fa ny didinao tsy mba hadinoiko. | I have gone astray like a lost sheep; seek thy servant; for I do not forget thy commandments. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL