시편 118편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 29절
- 1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
- 2 Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 3 Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 4 Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 5 Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
- 6 Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?
- 7 Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy.
- 8 Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.
- 9 Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
- 10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa;
- 11 Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
- 12 Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
- 13 Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
- 14 Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
- 15 Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery;
- 16 Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.
- 17 Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.
- 18 Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana.
- 19 Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.
- 20 Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
- 21 Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
- 22 Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
- 23 Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
- 24 Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.
- 25 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
- 26 Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
- 27 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.
- 28 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
- 29 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗