시편 112편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절
- 1 Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra.
- 2 Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina.
- 3 Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
- 4 Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny.
- 5 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
- 6 Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina.
- 7 Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony.
- 8 Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy.
- 9 Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony.
- 10 Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗