로그인

시편 113편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 9절

  1. 1 Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.
  2. 2 Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
  3. 3 Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah.
  4. 4 Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny.
  5. 5 Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo,
  6. 6 Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
  7. 7 Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,
  8. 8 Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony.
  9. 9 Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗