로그인

시편 112편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절 · 대역: King James Version

절Baiboly Malagasy (1865)King James Version
1 Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an’ i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra. Praise ye the Lord. Blessed is the man that feareth the Lord, that delighteth greatly in his commandments.
2 Hahery ambonin’ ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina. His seed shall be mighty upon earth: the generation of the upright shall be blessed.
3 Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay. Wealth and riches shall be in his house: and his righteousness endureth for ever.
4 Ao amin’ ny maizina no iposahan’ ny mazava ho an’ ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny. Unto the upright there ariseth light in the darkness: he is gracious, and full of compassion, and righteous.
5 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy. A good man sheweth favour, and lendeth: he will guide his affairs with discretion.
6 Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina. Surely he shall not be moved for ever: the righteous shall be in everlasting remembrance.
7 Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an’ i Jehovah ny fony. He shall not be afraid of evil tidings: his heart is fixed, trusting in the Lord.
8 Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin’ ny mpandrafy azy. His heart is established, he shall not be afraid, until he see his desire upon his enemies.
9 Namafy izy, eny, nanome ho an’ ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony. He hath dispersed, he hath given to the poor; his righteousness endureth for ever; his horn shall be exalted with honour.
10 Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy. The wicked shall see it, and be grieved; he shall gnash with his teeth, and melt away: the desire of the wicked shall perish.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL