로그인

시편 111편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 10절

  1. 1 Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
  2. 2 Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy.
  3. 3 Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
  4. 4 Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
  5. 5 Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.
  6. 6 Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa.
  7. 7 Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
  8. 8 Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
  9. 9 Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.
  10. 10 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗