로그인

시편 102편 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 28절

  1. 2 Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
  2. 3 Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy.
  3. 4 Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana.
  4. 5 Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza.
  5. 6 Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro.
  6. 7 Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo.
  7. 8 Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano.
  8. 9 Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana.
  9. 10 Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko,
  10. 11 Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray.
  11. 12 Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho.
  12. 13 Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
  13. 14 Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana.
  14. 15 Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy.
  15. 16 Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao;
  16. 17 Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy;
  17. 18 Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany.
  18. 19 Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah;
  19. 20 Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany,
  20. 21 Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty,
  21. 22 Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema,
  22. 23 Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah.
  23. 24 Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy;
  24. 25 Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
  25. 26 Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra.
  26. 27 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy;
  27. 28 Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra.
  28. 29 Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗