시편 103편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 22절
- 1 Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masìna.
- 2 Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
- 3 Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
- 4 Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
- 5 Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ ny voromahery.
- 6 Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin’ izay rehetra ampahorina.
- 7 Efa nampahafantatra an’ i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak’ Isiraely nampahafantariny ny asany.
- 8 Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
- 9 Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
- 10 Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.
- 11 Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra ambonin’ ny tany No haben’ ny famindram-pony amin’ izay matahotra Azy.
- 12 Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ ny andrefana No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.
- 13 Tahaka ny fiantràn’ ny ray ny zanany No fiantran’ i Jehovah izay matahotra Azy;
- 14 Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika.
- 15 Tahaka ny ahitra ny andron’ ny zanak’ olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
- 16 Satria tsofin’ ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.
- 17 Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka.
- 18 Dia amin’ izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
- 19 Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
- 20 Misaora an’ i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ ny teniny.
- 21 Misaora an’ i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
- 22 Misaora an’ i Jehovah, ny asany rehetra eran’ ny fanjakany; Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗