시편 102편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 28절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | — | Hear my prayer, O Lord, and let my cry come unto thee. |
| 2 | Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako. | Hide not thy face from me in the day when I am in trouble; incline thine ear unto me: in the day when I call answer me speedily. |
| 3 | Aza manafina ny tavanao amiko amin’ ny andro fahoriako; Atongilano amiko ny sofinao; Amin’ ny andro itarainako dia faingàna hamaly ahy. | For my days are consumed like smoke, and my bones are burned as an hearth. |
| 4 | Fa levon-ko setroka ny androko Ary ny taolako mahamay tahaka ny forohana. | My heart is smitten, and withered like grass; so that I forget to eat my bread. |
| 5 | Taninina tahaka ny ahitra ny foko ka malazo; Fa hadinoko na dia ny fihinanan-kanina aza. | By reason of the voice of my groaning my bones cleave to my skin. |
| 6 | Noho ny fisentoan’ ny foko Ny taolako miraikitra amin’ ny hoditro. | I am like a pelican of the wilderness: I am like an owl of the desert. |
| 7 | Tahaka ny sama any an-efitra aho, Ary tahaka ny vorondolo any an-tanànaolo. | I watch, and am as a sparrow alone upon the house top. |
| 8 | Tsy mahita tory aho Sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampontrano. | Mine enemies reproach me all the day; and they that are mad against me are sworn against me. |
| 9 | Mandatsa ahy mandrakariva ny fahavaloko. Izay misafoaka amiko dia manao ahy ho fiozonana. | For I have eaten ashes like bread, and mingled my drink with weeping, |
| 10 | Fa lavenona no nohaniko tahaka ny mofo; Ary ny zavatra nosotroiko noharoharoiko ny ranomasoko, | Because of thine indignation and thy wrath: for thou hast lifted me up, and cast me down. |
| 11 | Noho ny fahaviniranao sy ny fahatezeranao; Fa naingainao aho, kanefa natontanao indray. | My days are like a shadow that declineth; and I am withered like grass. |
| 12 | Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso; Ary efa malazo tahaka ny ahitra aho. | But thou, O Lord, shalt endure for ever; and thy remembrance unto all generations. |
| 13 | Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby. | Thou shalt arise, and have mercy upon Zion: for the time to favour her, yea, the set time, is come. |
| 14 | Hianao hitsangana ka hamindra fo amin’ i Ziona; Fa efa andro hamindram-po aminy izao; Eny, tonga ny fotoana. | For thy servants take pleasure in her stones, and favour the dust thereof. |
| 15 | Fa sitraky ny mpanomponao ny vatony, Sady malahelo ny vovo-taniny izy. | So the heathen shall fear the name of the Lord, and all the kings of the earth thy glory. |
| 16 | Hatahotra ny anaran’ i Jehovah ny jentilisa, Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny tany hatahotra ny voninahitrao; | When the Lord shall build up Zion, he shall appear in his glory. |
| 17 | Fa Jehovah nanangana an’ i Ziona; Niseho tamin’ ny voninahiny Izy; | He will regard the prayer of the destitute, and not despise their prayer. |
| 18 | Nijery ny fivavaky ny mahantra Izy Ka tsy nanevateva ny fivavany. | This shall be written for the generation to come: and the people which shall be created shall praise the Lord. |
| 19 | Hosoratana ho an’ ny taranaka mandimby izany; Ary izay firenena mbola hoforonina no hidera an’ i Jehovah; | For he hath looked down from the height of his sanctuary; from heaven did the Lord behold the earth; |
| 20 | Fa Izy nitazana tany amin’ ny fitoerany masìna any amin’ ny avo. Tany an-danitra no nitsinjovan’ i Jehovah ny tany, | To hear the groaning of the prisoner; to loose those that are appointed to death; |
| 21 | Mba hihaino ny fisentoan’ ny mpifatotra Sy hanafaka izay voatendry ho faty, | To declare the name of the Lord in Zion, and his praise in Jerusalem; |
| 22 | Mba hotorina any Ziona ny anaran’ i Jehovah, Ary ny fiderana Azy any Jerosalema, | When the people are gathered together, and the kingdoms, to serve the Lord. |
| 23 | Rehefa tafangona ny firenena Sy ny fanjakana maro hanompo an’ i Jehovah. | He weakened my strength in the way; he shortened my days. |
| 24 | Efa nahaketraka ny heriko tany an-dalana Izy; Efa nahafohy ny androko Izy; | I said, O my God, take me not away in the midst of my days: thy years are throughout all generations. |
| 25 | Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby. | Of old hast thou laid the foundation of the earth: and the heavens are the work of thy hands. |
| 26 | Tany aloha no nanorenanao ny tany; Ary asan’ ny tananao ny lanitra. | They shall perish, but thou shalt endure: yea, all of them shall wax old like a garment; as a vesture shalt thou change them, and they shall be changed: |
| 27 | Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana; Toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovana izy; | But thou art the same, and thy years shall have no end. |
| 28 | Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra. | The children of thy servants shall continue, and their seed shall be established before thee. |
| 29 | Ny zanaky ny mpanomponao handry fahizay, Ary ny taranany hampitoerina eo anatrehanao. | — |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL