시편 101편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절
- 1 Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko.
- 2 Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin’ ny fahitsian’ ny foko ao anatin’ ny tranoko aho.
- 3 Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
- 4 Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho,
- 5 Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po;
- 6 Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin’ ny lalana marina no hanompo ahy.
- 7 Tsy mba hitoetra ao anatin’ ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan’ ny masoko izay milaza lainga.
- 8 Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’ i Jehovah.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗