시편 100편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 5절
- 1 Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra.
- 2 Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana.
- 3 Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.
- 4 Midìra eo amin’ ny vavahadiny amin’ ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin’ ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,
- 5 Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗