시편 101편 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 시편 (Psalms) · 8절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Famindram-po sy fitsarana no hankalazaiko; Hianao, Jehovah ô, no hoderaiko. | I will sing of mercy and judgment: unto thee, O Lord, will I sing. |
| 2 | Hitandrina ny lalana marina aho; Rahoviana no ho tonga atỳ amiko Hianao? Handeha amin’ ny fahitsian’ ny foko ao anatin’ ny tranoko aho. | I will behave myself wisely in a perfect way. O when wilt thou come unto me? I will walk within my house with a perfect heart. |
| 3 | Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany. | I will set no wicked thing before mine eyes: I hate the work of them that turn aside; it shall not cleave to me. |
| 4 | Ny fo maditra hiala amiko; Tsy hankasitraka iza ratsy aho, | A froward heart shall depart from me: I will not know a wicked person. |
| 5 | Izay manendrikendrika ny namany mangingina dia hofongorako; Tsy tohako izay miandranandrana sy miavonavona am-po; | Whoso privily slandereth his neighbour, him will I cut off: him that hath an high look and a proud heart will not I suffer. |
| 6 | Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ ny tany mba hitoerany ato amiko; Izay mandeha amin’ ny lalana marina no hanompo ahy. | Mine eyes shall be upon the faithful of the land, that they may dwell with me: he that walketh in a perfect way, he shall serve me. |
| 7 | Tsy mba hitoetra ao anatin’ ny tranoko izay manao fitaka; Tsy mba hijanona eo anoloan’ ny masoko izay milaza lainga. | He that worketh deceit shall not dwell within my house: he that telleth lies shall not tarry in my sight. |
| 8 | Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’ i Jehovah. | I will early destroy all the wicked of the land; that I may cut off all wicked doers from the city of the Lord. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL