창세기 48장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 22절
- 1 Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin’ i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
- 2 Ary nisy nilaza tamin’ i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin’ ny farafara.
- 3 Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
- 4 Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
- 5 Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an’ i Robena sy Simeona.
- 6 Fa ny zanakao izay haterakao aorian’ izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an’ ny rahalahiny eo amin’ ny zara-taniny.
- 7 Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).
- 8 Ary rehefa hitan’ Isiraely ny zanak’ i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo?
- 9 Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen’ Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy: Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano.
- 10 Ary efa pahina ny mason’ Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin’ i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy.
- 11 Dia hoy Isiraely tamin’ i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza.
- 12 Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ ny lohalik’ Isiraely, dia niankohoka tamin’ ny tany izy.
- 13 Dia notantanan’ i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin’ ny ankavanany ho eo amin’ ny ankavian’ Isiraely, ary Manase tamin’ ny ankaviany ho eo amin’ ny ankavanan’ Isiraely, ka nentiny nanatona azy.
- 14 Dia nahinjitr’ Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ ny lohan’ i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ ny lohan’ i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
- 15 Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany,
- 16 ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy.
- 17 Ary rehefa hitan’ i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin’ ny lohan’ i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan’ ny rainy, mba hampiala azy amin’ ny lohan’ i Efraima ho amin’ ny lohan’ i Manase,
- 18 ka hoy Josefa tamin’ ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin’ ny lohany ny tananao ankavanana.
- 19 Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
- 20 Dia nitso-drano azy tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan’ ny Isiraely rano hoe: Hataon’ Andriamanitra tahaka an’ i Efraima sy tahaka an’ i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan’ i Manase.
- 21 Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo.
- 22 Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin’ ny rahalahinao, izay nalaiko tamin’ ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan’ ny Amorita.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗