창세기 47장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 31절
- 1 Ary Josefa nankao amin’ i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny mbamin’ izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin’ ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin’ ny tany Gosena izy.
- 2 Ary ny dimy lahy tamin’ ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan’ i Farao.
- 3 Ary hoy Farao tamin’ ireo rahalahin’ i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin’ i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin’ ny razanay.
- 4 Ary hoy koa izy tamin’ i Farao: Mba hivahiny eto amin’ ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an’ ny ondry aman’ osin’ ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin’ ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin’ ny tany Gosena ny mpanomponao.
- 5 Ary Farao dia niteny tamin’ i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao;
- 6 ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin’ izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin’ ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben’ ny mpiandry ny omby aman’ ondriko.
- 7 Dia nentin’ i Josefa ho eo anatrehan’ i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an’ i Farao.
- 8 Ary hoy Farao tamin’ i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
- 9 Dia hoy Jakoba tamin’ i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan’ ny razako tamin’ ny andro nivahiniany.
- 10 Ary Jakoba, rehefa nisaotra an’ i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
- 11 Dia namponenin’ i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin’ ny tany Egypta, dia tao amin’ ny tany tsara indrindra, tao amin’ ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian’ i Farao.
- 12 Dia novelomin’ i Josefa tamin’ ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ ny ankohonan’ ny rainy rehetra, araka ny isan’ ny zanany avy.
- 13 Ary tsy nisy hanina teo amin’ ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
- 14 Dia nangonin’ i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin’ ny tany Egypta sy tany amin’ ny tany Kanana, dia izay vidin’ ny vary novidin’ ny olona, ka nampidirin’ i Josefa tao an-tranon’ i Farao ny vola.
- 15 Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin’ ny tany Egypta sy tany amin’ ny tany Kanana, dia nankeo amin’ i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
- 16 Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman’ ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
- 17 Dia nentiny tany amin’ i Josefa ny omby aman’ ondriny, ka notakalozan’ i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’ osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin’ izany taona izany ho takalon’ ny bibiny rehetra.
- 18 Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin’ ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin’ itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan’ itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason’ itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
- 19 nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’ i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
- 20 Dia notakalozan’ i Josefa ho an’ i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan’ i Farao ny tany.
- 21 Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin’ ny tanàna hatramin’ ny faran’ ny faritr’ i Egypta rehetra.
- 22 Ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin’ i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’ i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
- 23 Dia hoy Josefa tamin’ ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an’ i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
- 24 Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an’ i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’ izay ao an-tranonareo ary hohanin’ ny zanakareo.
- 25 Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason’ itompokolahy izahay, dia ho mpanompon’ i Farao.
- 26 Dia nataon’ i Josefa ho lalana tany amin’ ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an’ i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’ i Farao.
- 27 Ary nonina tao amin’ ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin’ ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
- 28 Ary ny andro niainan’ i Jakoba tao amin’ ny tany Egypta dia fito ambin’ ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan’ i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
- 29 Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ Isiraely, dia nampaka an’ i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
- 30 Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin’ ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
- 31 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan’ ny farafara Isiraely.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗