창세기 48장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 22절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin’ i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy. | And it came to pass after these things, that one told Joseph, Behold, thy father is sick: and he took with him his two sons, Manasseh and Ephraim. |
| 2 | Ary nisy nilaza tamin’ i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin’ ny farafara. | And one told Jacob, and said, Behold, thy son Joseph cometh unto thee: and Israel strengthened himself, and sat upon the bed. |
| 3 | Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin’ ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe: | And Jacob said unto Joseph, God Almighty appeared unto me at Luz in the land of Canaan, and blessed me, |
| 4 | Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay. | And said unto me, Behold, I will make thee fruitful, and multiply thee, and I will make of thee a multitude of people; and will give this land to thy seed after thee for an everlasting possession. |
| 5 | Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin’ ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an’ i Robena sy Simeona. | And now thy two sons, Ephraim and Manasseh, which were born unto thee in the land of Egypt before I came unto thee into Egypt, are mine; as Reuben and Simeon, they shall be mine. |
| 6 | Fa ny zanakao izay haterakao aorian’ izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an’ ny rahalahiny eo amin’ ny zara-taniny. | And thy issue, which thou begettest after them, shall be thine, and shall be called after the name of their brethren in their inheritance. |
| 7 | Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron’ ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). | And as for me, when I came from Padan, Rachel died by me in the land of Canaan in the way, when yet there was but a little way to come unto Ephrath: and I buried her there in the way of Ephrath; the same is Beth–lehem. |
| 8 | Ary rehefa hitan’ Isiraely ny zanak’ i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo? | And Israel beheld Joseph’s sons, and said, Who are these? |
| 9 | Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen’ Andriamanitra ahy tatỳ. Ary hoy izy: Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano. | And Joseph said unto his father, They are my sons, whom God hath given me in this place. And he said, Bring them, I pray thee, unto me, and I will bless them. |
| 10 | Ary efa pahina ny mason’ Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin’ i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy. | Now the eyes of Israel were dim for age, so that he could not see. And he brought them near unto him; and he kissed them, and embraced them. |
| 11 | Dia hoy Isiraely tamin’ i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza. | And Israel said unto Joseph, I had not thought to see thy face: and, lo, God hath shewed me also thy seed. |
| 12 | Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan’ ny lohalik’ Isiraely, dia niankohoka tamin’ ny tany izy. | And Joseph brought them out from between his knees, and he bowed himself with his face to the earth. |
| 13 | Dia notantanan’ i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin’ ny ankavanany ho eo amin’ ny ankavian’ Isiraely, ary Manase tamin’ ny ankaviany ho eo amin’ ny ankavanan’ Isiraely, ka nentiny nanatona azy. | And Joseph took them both, Ephraim in his right hand toward Israel’s left hand, and Manasseh in his left hand toward Israel’s right hand, and brought them near unto him. |
| 14 | Dia nahinjitr’ Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ ny lohan’ i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ ny lohan’ i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa. | And Israel stretched out his right hand, and laid it upon Ephraim’s head, who was the younger, and his left hand upon Manasseh’s head, guiding his hands wittingly; for Manasseh was the firstborn. |
| 15 | Dia nitso-drano an’ i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan’ i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, | And he blessed Joseph, and said, God, before whom my fathers Abraham and Isaac did walk, the God which fed me all my life long unto this day, |
| 16 | ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin’ ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran’ i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin’ ny tany anie izy. | The Angel which redeemed me from all evil, bless the lads; and let my name be named on them, and the name of my fathers Abraham and Isaac; and let them grow into a multitude in the midst of the earth. |
| 17 | Ary rehefa hitan’ i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin’ ny lohan’ i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan’ ny rainy, mba hampiala azy amin’ ny lohan’ i Efraima ho amin’ ny lohan’ i Manase, | And when Joseph saw that his father laid his right hand upon the head of Ephraim, it displeased him: and he held up his father’s hand, to remove it from Ephraim’s head unto Manasseh’s head. |
| 18 | ka hoy Josefa tamin’ ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin’ ny lohany ny tananao ankavanana. | And Joseph said unto his father, Not so, my father: for this is the firstborn; put thy right hand upon his head. |
| 19 | Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro. | And his father refused, and said, I know it, my son, I know it: he also shall become a people, and he also shall be great: but truly his younger brother shall be greater than he, and his seed shall become a multitude of nations. |
| 20 | Dia nitso-drano azy tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan’ ny Isiraely rano hoe: Hataon’ Andriamanitra tahaka an’ i Efraima sy tahaka an’ i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan’ i Manase. | And he blessed them that day, saying, In thee shall Israel bless, saying, God make thee as Ephraim and as Manasseh: and he set Ephraim before Manasseh. |
| 21 | Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin’ ny tanindrazanareo. | And Israel said unto Joseph, Behold, I die: but God shall be with you, and bring you again unto the land of your fathers. |
| 22 | Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin’ ny rahalahinao, izay nalaiko tamin’ ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan’ ny Amorita. | Moreover I have given to thee one portion above thy brethren, which I took out of the hand of the Amorite with my sword and with my bow. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL