창세기 44장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 34절
- 1 Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan’ ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan’ ny lasakany avy ny volan’ ny isan-dahy;
- 2 ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan’ ny lasakan’ ilay faralahy mbamin’ ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain’ i Josefa.
- 3 Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny.
- 4 Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin’ ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa?
- 5 Tsy iny va no fisotroan’ ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao.
- 6 Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
- 7 Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.
- 8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin’ ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin’ ny tranon’ ny tomponao?
- 9 Izay anankiray amin’ ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon’ itompokolahy.
- 10 Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny.
- 11 Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin’ ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy.
- 12 Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin’ ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin’ ny faralahy no niafarany, ka tao amin’ ny lasakan’ i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
- 13 Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin’ ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
- 14 Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon’ i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin’ ny tany teo anatrehany.
- 15 Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
- 16 Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’ itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’ itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
- 17 Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin’ ny rainareo.
- 18 Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’ itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’ i Farao ianao.
- 19 Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?
- 20 Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian’ ny rainy izy.
- 21 Ary ianao nanao tamin’ ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan’ ny masoko.
- 22 Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy.
- 23 Ary hoy ianao tamin’ ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midìna aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
- 24 Ary rehefa tafakatra tany amin’ ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin’ itompokolahy.
- 25 Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
- 26 Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
- 27 Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko;
- 28 fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy;
- 29 ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin’ ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko.
- 30 Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin’ ny ain’ ny zaza),
- 31 koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin’ ny mpanomponao rainay ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo.
- 32 Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin’ ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin’ ny raiko amin’ ny andro rehetra hiainako aho.
- 33 Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon’ itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ ny rahalahiny.
- 34 Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗