창세기 44장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 34절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan’ ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan’ ny lasakany avy ny volan’ ny isan-dahy; | And he commanded the steward of his house, saying, Fill the men’s sacks with food, as much as they can carry, and put every man’s money in his sack’s mouth. |
| 2 | ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan’ ny lasakan’ ilay faralahy mbamin’ ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain’ i Josefa. | And put my cup, the silver cup, in the sack’s mouth of the youngest, and his corn money. And he did according to the word that Joseph had spoken. |
| 3 | Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny. | As soon as the morning was light, the men were sent away, they and their asses. |
| 4 | Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin’ ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa? | And when they were gone out of the city, and not yet far off, Joseph said unto his steward, Up, follow after the men; and when thou dost overtake them, say unto them, Wherefore have ye rewarded evil for good? |
| 5 | Tsy iny va no fisotroan’ ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao. | Is not this it in which my lord drinketh, and whereby indeed he divineth? ye have done evil in so doing. |
| 6 | Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy. | And he overtook them, and he spake unto them these same words. |
| 7 | Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany. | And they said unto him, Wherefore saith my lord these words? God forbid that thy servants should do according to this thing: |
| 8 | Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin’ ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin’ ny tranon’ ny tomponao? | Behold, the money, which we found in our sacks’ mouths, we brought again unto thee out of the land of Canaan: how then should we steal out of thy lord’s house silver or gold? |
| 9 | Izay anankiray amin’ ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon’ itompokolahy. | With whomsoever of thy servants it be found, both let him die, and we also will be my lord’s bondmen. |
| 10 | Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny. | And he said, Now also let it be according unto your words: he with whom it is found shall be my servant; and ye shall be blameless. |
| 11 | Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin’ ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy. | Then they speedily took down every man his sack to the ground, and opened every man his sack. |
| 12 | Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin’ ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin’ ny faralahy no niafarany, ka tao amin’ ny lasakan’ i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. | And he searched, and began at the eldest, and left at the youngest: and the cup was found in Benjamin’s sack. |
| 13 | Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin’ ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna. | Then they rent their clothes, and laded every man his ass, and returned to the city. |
| 14 | Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon’ i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin’ ny tany teo anatrehany. | And Judah and his brethren came to Joseph’s house; for he was yet there: and they fell before him on the ground. |
| 15 | Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? | And Joseph said unto them, What deed is this that ye have done? wot ye not that such a man as I can certainly divine? |
| 16 | Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’ itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’ itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. | And Judah said, What shall we say unto my lord? what shall we speak? or how shall we clear ourselves? God hath found out the iniquity of thy servants: behold, we are my lord’s servants, both we, and he also with whom the cup is found. |
| 17 | Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin’ ny rainareo. | And he said, God forbid that I should do so: but the man in whose hand the cup is found, he shall be my servant; and as for you, get you up in peace unto your father. |
| 18 | Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’ itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’ i Farao ianao. | Then Judah came near unto him, and said, Oh my lord, let thy servant, I pray thee, speak a word in my lord’s ears, and let not thine anger burn against thy servant: for thou art even as Pharaoh. |
| 19 | Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va ianareo? | My lord asked his servants, saying, Have ye a father, or a brother? |
| 20 | Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian’ ny rainy izy. | And we said unto my lord, We have a father, an old man, and a child of his old age, a little one; and his brother is dead, and he alone is left of his mother, and his father loveth him. |
| 21 | Ary ianao nanao tamin’ ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan’ ny masoko. | And thou saidst unto thy servants, Bring him down unto me, that I may set mine eyes upon him. |
| 22 | Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy. | And we said unto my lord, The lad cannot leave his father: for if he should leave his father, his father would die. |
| 23 | Ary hoy ianao tamin’ ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midìna aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo. | And thou saidst unto thy servants, Except your youngest brother come down with you, ye shall see my face no more. |
| 24 | Ary rehefa tafakatra tany amin’ ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin’ itompokolahy. | And it came to pass when we came up unto thy servant my father, we told him the words of my lord. |
| 25 | Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. | And our father said, Go again, and buy us a little food. |
| 26 | Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy. | And we said, We cannot go down: if our youngest brother be with us, then will we go down: for we may not see the man’s face, except our youngest brother be with us. |
| 27 | Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko; | And thy servant my father said unto us, Ye know that my wife bare me two sons: |
| 28 | fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy; | And the one went out from me, and I said, Surely he is torn in pieces; and I saw him not since: |
| 29 | ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin’ ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. | And if ye take this also from me, and mischief befall him, ye shall bring down my gray hairs with sorrow to the grave. |
| 30 | Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin’ ny ain’ ny zaza), | Now therefore when I come to thy servant my father, and the lad be not with us; seeing that his life is bound up in the lad’s life; |
| 31 | koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin’ ny mpanomponao rainay ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo. | It shall come to pass, when he seeth that the lad is not with us, that he will die: and thy servants shall bring down the gray hairs of thy servant our father with sorrow to the grave. |
| 32 | Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin’ ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin’ ny raiko amin’ ny andro rehetra hiainako aho. | For thy servant became surety for the lad unto my father, saying, If I bring him not unto thee, then I shall bear the blame to my father for ever. |
| 33 | Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon’ itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ ny rahalahiny. | Now therefore, I pray thee, let thy servant abide instead of the lad a bondman to my lord; and let the lad go up with his brethren. |
| 34 | Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho. | For how shall I go up to my father, and the lad be not with me? lest peradventure I see the evil that shall come on my father. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL