창세기 43장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 34절
- 1 Ary mafy ny mosary teo amin’ ny tany.
- 2 Ary rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
- 3 Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
- 4 Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
- 5 fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
- 6 Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo?
- 7 Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin’ ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midìna ny rahalahinareo?
- 8 Ary hoy Joda tamin’ Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
- 9 Izaho no hiantoka azy; amin’ ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin’ ny andro rehetra hiainako aho;
- 10 fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
- 11 Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin’ ny tany ka ataovy ao anatin’ ny fitondran-entanareo, dia ento midìna haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
- 12 ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
- 13 Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
- 14 ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
- 15 Dia nentin’ ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin’ i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan’ i Josefa.
- 16 Ary Josefa, raha nahita an’ i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin’ ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
- 17 Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian’ i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’ i Josefa ireo.
- 18 Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon’ i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin’ ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
- 19 Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon’ i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran’ ny trano nanao hoe:
- 20 Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
- 21 ary rehefa tonga teo amin’ izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
- 22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin’ ny lasakanay.
- 23 Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an’ i Simeona ho eo aminy izy.
- 24 Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’ i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
- 25 Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin’ i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
- 26 Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin’ izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany izy.
- 27 Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
- 28 Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
- 29 Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an’ i Benjamina rahalahiny, zanakalahin’ ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
- 30 Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
- 31 Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
- 32 Dia narosony mitokana ny ho an’ i Josefa, ary mitokana ny ho an’ ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an’ ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin’ ny Hebreo, fa fahavetavetana amin’ ny Egyptiana izany.
- 33 Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.
- 34 Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan’ i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin’ i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin’ izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗