창세기 42장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 38절
- 1 Ary fantatr’ i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin’ ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo?
- 2 Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midìna any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
- 3 Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin’ i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
- 4 Fa Benjamina, rahalahin’ i Josefa, tsy mba nampandehanin’ i Jakoba niaraka tamin’ ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
- 5 Dia tonga ny zanak’ Isiraely mba hividy vary niaraka tamin’ izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
- 6 Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin’ i Josefa ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
- 7 Ary hitan’ i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin’ ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
- 8 Ary fantatr’ i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy.
- 9 Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo ianareo; hizaha ny fangadihadin’ ny tany no nahatongavanareo.
- 10 Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
- 11 Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao.
- 12 Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin’ ny tany no nahatongavanareo.
- 13 Fa hoy izy; Roa ambin’ ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin’ ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony.
- 14 Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo ianareo no marina;
- 15 dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala atỳ ianareo, raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
- 16 Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.
- 17 Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.
- 18 Ary nony tamin’ ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo; fa izaho matahotra an’ Andriamanitra:
- 19 Raha olo-marina ary ianareo, dia aoka ny anankiray aminareo mirahalahy avy no hafatotra ao amin’ ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo hitondra vary noho ny mosary any amin’ ny tranonareo;
- 20 ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina ianareo. Ary nataony izany.
- 21 Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian’ ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’ izao fahoriana izao amintsika.
- 22 Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin’ ny zaza? nefa tsy mba nihaino ianareo; koa indro fa adinina ny ràny izao.
- 23 Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
- 24 Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an’ i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
- 25 Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan’ ny isan-dahy ho ao anatin’ ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dalana; dia nanao izany taminy izy.
- 26 Ary natainginy tamin’ ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy.
- 27 Ary raha nosokafan’ ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’ izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan’ ny lasakany izany.
- 28 Dia hoy izy tamin’ ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin’ ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon’ Andriamanitra amintsika izao?
- 29 Ary tonga tany amin’ i Jakoba rainy, tany amin’ ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy:
- 30 Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon’ ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay.
- 31 Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory;
- 32 roa ambin’ ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin’ ny rainay any amin’ ny tany Kanana ankehitriny.
- 33 Dia hoy ralehilahy, tompon’ ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina ianareo: ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao atỳ amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin’ ny tranonareo, dia mandehana;
- 34 ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo ianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin’ ny tany ianareo.
- 35 Ary raha nandraraka izay tao anatin’ ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin’ ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra.
- 36 Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foananareo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeona koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin’ izany rehetra izany,
- 37 Ary Robena niteny tamin’ ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina atỳ aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.
- 38 Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin’ ny lalana izay halehanareo, dia hampidininareo any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ alahelo ny volo fotsiko.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗