창세기 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 32절
- 1 Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
- 2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ ny tany Sinara izy ka nonina teo.
- 3 Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
- 4 Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ ny tany rehetra isika.
- 5 Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ ny zanak’ olombelona.
- 6 Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
- 7 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
- 8 Dia tao no nampielezan’ i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
- 9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’ i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ ny tany rehetra.
- 10 Izao no taranak’ i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an’ i Arpaksada izy roa taona taorian’ ny safo-drano.
- 11 Ary ny andro niainan’ i Sema taorian’ ny niterahany an’ i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 12 Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Arpaksada, dia niteraka an’ i Sela izy.
- 13 Ary ny andro niainan’ i Arpaksada taorian’ ny niterahany an’ i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 14 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Sela, dia niteraka an’ i Ebera izy.
- 15 Ary ny andro niainan’ i Sela taorian’ ny niterahany an’ i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 16 Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Ebera, dia niteraka an’ i Palega izy.
- 17 Ary ny andro niainan’ i Ebera taorian’ ny niterahany an’ i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 18 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
- 19 Ary ny andro niainan’ i Palega taorian’ ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 20 Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an’ i Seroga izy.
- 21 Ary ny andro niainan-dReo taorian’ ny niterahany an’ i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 22 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Seroga, dia niteraka an’ i Nahora izy,
- 23 Ary ny andro niainan’ i Seroga taorian’ ny niterahany an’ i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 24 Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan’ i Nahora, dia niteraka an’ i Tera izy.
- 25 Ary ny andro niainan’ i Nahora taorian’ ny niterahany an’ i Tera dia sivy ambin’ ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
- 26 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Tera, dia niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
- 27 Ary izao no taranak’ i Tera: Tera niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an’ i Lota.
- 28 Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan’ i Tera rainy tany amin’ ny tany nahaterahany, dia tao Oran’ ny Kaldeana.
- 29 Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ ny vadin’ i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ ny vadin’ i Nahora dia Milka, zanakavavin’ i Harana, rain’ i Milka sy rain’ Iska.
- 30 Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
- 31 Ary Tera nitondra an’ i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’ i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’ i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ ny Kaldeana hankany amin’ ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.
- 32 Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan’ i Tera; dia maty tao Harana izy.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗