창세기 12장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 20절
- 1 Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin’ ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ ny rainao hankany amin’ ny tany izay hasehoko anao;
- 2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
- 3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
- 4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’ i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
- 5 Ary Abrama nitondra an’ i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ ny fananan’ izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ ny tany Kanana izy.
- 6 Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan’ i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
- 7 Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.
- 8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ ny tendrombohitra atsinanan’ i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’ i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’ i Jehovah izy ka niantso ny anaran’ i Jehovah.
- 9 Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ ny tany atsimo.
- 10 Ary nisy mosary teo amin’ ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin’ ny tany.
- 11 Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin’ i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
- 12 ka, raha hitan’ ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
- 13 Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
- 14 Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan’ ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
- 15 Ary nahita azy ny tandapan’ i Farao ka nidera azy tamin’ i Farao; dia nentina tao an-tranon’ i Farao izy.
- 16 Ary Abrama nasian’ i Farao soa noho ny amin’ i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
- 17 Dia nasian’ i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin’ i Saray, vadin’ i Abrama.
- 18 Ary Farao dia nampaka an’ i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
- 19 Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
- 20 Dia nomen’ i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin’ i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra ireo.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗