창세기 11장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 창세기 (Genesis) · 32절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. | And the whole earth was of one language, and of one speech. |
| 2 | Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin’ ny tany Sinara izy ka nonina teo. | And it came to pass, as they journeyed from the east, that they found a plain in the land of Shinar; and they dwelt there. |
| 3 | Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra. | And they said one to another, Go to, let us make brick, and burn them throughly. And they had brick for stone, and slime had they for morter. |
| 4 | Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin’ ny tany rehetra isika. | And they said, Go to, let us build us a city and a tower, whose top may reach unto heaven; and let us make us a name, lest we be scattered abroad upon the face of the whole earth. |
| 5 | Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon’ ny zanak’ olombelona. | And the Lord came down to see the city and the tower, which the children of men builded. |
| 6 | Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. | And the Lord said, Behold, the people is one, and they have all one language; and this they begin to do: and now nothing will be restrained from them, which they have imagined to do. |
| 7 | Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy. | Go to, let us go down, and there confound their language, that they may not understand one another’s speech. |
| 8 | Dia tao no nampielezan’ i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. | So the Lord scattered them abroad from thence upon the face of all the earth: and they left off to build the city. |
| 9 | Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin’ ny tany rehetra; ary tao no nampielezan’ i Jehovah ny olona ho eny ambonin’ ny tany rehetra. | Therefore is the name of it called Babel; because the Lord did there confound the language of all the earth: and from thence did the Lord scatter them abroad upon the face of all the earth. |
| 10 | Izao no taranak’ i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an’ i Arpaksada izy roa taona taorian’ ny safo-drano. | These are the generations of Shem: Shem was an hundred years old, and begat Arphaxad two years after the flood: |
| 11 | Ary ny andro niainan’ i Sema taorian’ ny niterahany an’ i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Shem lived after he begat Arphaxad five hundred years, and begat sons and daughters. |
| 12 | Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Arpaksada, dia niteraka an’ i Sela izy. | And Arphaxad lived five and thirty years, and begat Salah: |
| 13 | Ary ny andro niainan’ i Arpaksada taorian’ ny niterahany an’ i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Arphaxad lived after he begat Salah four hundred and three years, and begat sons and daughters. |
| 14 | Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Sela, dia niteraka an’ i Ebera izy. | And Salah lived thirty years, and begat Eber: |
| 15 | Ary ny andro niainan’ i Sela taorian’ ny niterahany an’ i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Salah lived after he begat Eber four hundred and three years, and begat sons and daughters. |
| 16 | Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan’ i Ebera, dia niteraka an’ i Palega izy. | And Eber lived four and thirty years, and begat Peleg: |
| 17 | Ary ny andro niainan’ i Ebera taorian’ ny niterahany an’ i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Eber lived after he begat Peleg four hundred and thirty years, and begat sons and daughters. |
| 18 | Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Palega, dia niteraka an-dReo izy, | And Peleg lived thirty years, and begat Reu: |
| 19 | Ary ny andro niainan’ i Palega taorian’ ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Peleg lived after he begat Reu two hundred and nine years, and begat sons and daughters. |
| 20 | Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an’ i Seroga izy. | And Reu lived two and thirty years, and begat Serug: |
| 21 | Ary ny andro niainan-dReo taorian’ ny niterahany an’ i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Reu lived after he begat Serug two hundred and seven years, and begat sons and daughters. |
| 22 | Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan’ i Seroga, dia niteraka an’ i Nahora izy, | And Serug lived thirty years, and begat Nahor: |
| 23 | Ary ny andro niainan’ i Seroga taorian’ ny niterahany an’ i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Serug lived after he begat Nahor two hundred years, and begat sons and daughters. |
| 24 | Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan’ i Nahora, dia niteraka an’ i Tera izy. | And Nahor lived nine and twenty years, and begat Terah: |
| 25 | Ary ny andro niainan’ i Nahora taorian’ ny niterahany an’ i Tera dia sivy ambin’ ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. | And Nahor lived after he begat Terah an hundred and nineteen years, and begat sons and daughters. |
| 26 | Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan’ i Tera, dia niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana izy: | And Terah lived seventy years, and begat Abram, Nahor, and Haran. |
| 27 | Ary izao no taranak’ i Tera: Tera niteraka an’ i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an’ i Lota. | Now these are the generations of Terah: Terah begat Abram, Nahor, and Haran; and Haran begat Lot. |
| 28 | Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan’ i Tera rainy tany amin’ ny tany nahaterahany, dia tao Oran’ ny Kaldeana. | And Haran died before his father Terah in the land of his nativity, in Ur of the Chaldees. |
| 29 | Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran’ ny vadin’ i Abrama dia Saray; ary ny anaran’ ny vadin’ i Nahora dia Milka, zanakavavin’ i Harana, rain’ i Milka sy rain’ Iska. | And Abram and Nahor took them wives: the name of Abram’s wife was Sarai; and the name of Nahor’s wife, Milcah, the daughter of Haran, the father of Milcah, and the father of Iscah. |
| 30 | Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy. | But Sarai was barren; she had no child. |
| 31 | Ary Tera nitondra an’ i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak’ i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin’ i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran’ ny Kaldeana hankany amin’ ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao. | And Terah took Abram his son, and Lot the son of Haran his son’s son, and Sarai his daughter in law, his son Abram’s wife; and they went forth with them from Ur of the Chaldees, to go into the land of Canaan; and they came unto Haran, and dwelt there. |
| 32 | Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan’ i Tera; dia maty tao Harana izy. | And the days of Terah were two hundred and five years: and Terah died in Haran. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL