로그인

잠언 9장 Baiboly Malagasy (1865)

Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 18절

  1. 1 Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
  2. 2 Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
  3. 3 Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
  4. 4 Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy:
  5. 5 Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
  6. 6 Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.
  7. 7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
  8. 8 Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
  9. 9 Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
  10. 10 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina.
  11. 11 Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
  12. 12 Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany.
  13. 13 Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
  14. 14 Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna,
  15. 15 Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe:
  16. 16 Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy:
  17. 17 Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana,
  18. 18 Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.

Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗