잠언 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 36절
- 1 Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
- 2 Eo an-tampon’ ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
- 3 Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
- 4 Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ ny zanak’ olombelona.
- 5 Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
- 6 Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ ny molotro.
- 7 Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro.
- 8 Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
- 9 Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana.
- 10 Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
- 11 Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
- 12 Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava.
- 13 Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
- 14 Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
- 15 Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;
- 16 Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany.
- 17 Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
- 18 Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
- 19 Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
- 20 Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina,
- 21 Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
- 22 Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha.
- 23 Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
- 24 Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
- 25 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
- 26 Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao.
- 27 Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy,
- 28 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina,
- 29 Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
- 30 Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
- 31 Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona.
- 32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
- 33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
- 34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.
- 35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah;
- 36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗