잠언 10장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 32절
- 1 Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
- 2 Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.
- 3 Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
- 4 Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ ny mazoto.
- 5 Izay manangona amin’ ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
- 6 Fitahiana no ho ao amin’ ny lohan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
- 7 Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
- 8 Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
- 9 Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra.
- 10 Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
- 11 Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
- 12 Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
- 13 Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina.
- 14 Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ ny adala eo akaikin’ ny fandringanana.
- 15 Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ ny ory no fandringanana azy.
- 16 Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy.
- 17 Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
- 18 Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
- 19 Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
- 20 Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
- 21 Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
- 22 Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany.
- 23 Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
- 24 Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy.
- 25 Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
- 26 Toy ny vinaingitra amin’ ny nify sy ny setroka amin’ ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’ izay maniraka azy.
- 27 Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina.
- 28 Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana.
- 29 Ny lalan’ i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’ izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ ny mpanao ratsy.
- 30 Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ ny tany.
- 31 Eo amin’ ny vavan’ ny marina no itsimohan’ ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
- 32 Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy dia feno fitaka.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗