잠언 9장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 18절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy; | Wisdom hath builded her house, she hath hewn out her seven pillars: |
| 2 | Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa; | She hath killed her beasts; she hath mingled her wine; she hath also furnished her table. |
| 3 | Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon’ ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe: | She hath sent forth her maidens: she crieth upon the highest places of the city, |
| 4 | Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin’ izany tsy ampy saina dia hoy izy: | Whoso is simple, let him turn in hither: as for him that wanteth understanding, she saith to him, |
| 5 | Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko. | Come, eat of my bread, and drink of the wine which I have mingled. |
| 6 | Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana. | Forsake the foolish, and live; and go in the way of understanding. |
| 7 | Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. | He that reproveth a scorner getteth to himself shame: and he that rebuketh a wicked man getteth himself a blot. |
| 8 | Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. | Reprove not a scorner, lest he hate thee: rebuke a wise man, and he will love thee. |
| 9 | Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. | Give instruction to a wise man, and he will be yet wiser: teach a just man, and he will increase in learning. |
| 10 | Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masìna no fahazavan-tsaina. | The fear of the Lord is the beginning of wisdom: and the knowledge of the holy is understanding. |
| 11 | Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. | For by me thy days shall be multiplied, and the years of thy life shall be increased. |
| 12 | Raha hendry ianao, dia hendry ho an’ ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan’ izany. | If thou be wise, thou shalt be wise for thyself: but if thou scornest, thou alone shalt bear it. |
| 13 | Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. | A foolish woman is clamorous: she is simple, and knoweth nothing. |
| 14 | Fa mipetraka eo am-baravaran’ ny tranony izy, Ary amin’ ny seza eny amin’ ny fitoerana avo eo an-tanàna, | For she sitteth at the door of her house, on a seat in the high places of the city, |
| 15 | Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin’ ny alehany, ka manao hoe: | To call passengers who go right on their ways: |
| 16 | Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin’ izay tsy ampy saina dia hoy izy: | Whoso is simple, let him turn in hither: and as for him that wanteth understanding, she saith to him, |
| 17 | Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin’ ny fiafenana, | Stolen waters are sweet, and bread eaten in secret is pleasant. |
| 18 | Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin’ ny halalin’ ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. | But he knoweth not that the dead are there; and that her guests are in the depths of hell. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL