잠언 8장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 36절 · 대역: King James Version
| 절 | Baiboly Malagasy (1865) | King James Version |
|---|---|---|
| 1 | Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana? | Doth not wisdom cry? and understanding put forth her voice? |
| 2 | Eo an-tampon’ ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany. | She standeth in the top of high places, by the way in the places of the paths. |
| 3 | Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe: | She crieth at the gates, at the entry of the city, at the coming in at the doors. |
| 4 | Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ ny zanak’ olombelona. | Unto you, O men, I call; and my voice is to the sons of man. |
| 5 | Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala. | O ye simple, understand wisdom: and, ye fools, be ye of an understanding heart. |
| 6 | Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ ny molotro. | Hear; for I will speak of excellent things; and the opening of my lips shall be right things. |
| 7 | Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro. | For my mouth shall speak truth; and wickedness is an abomination to my lips. |
| 8 | Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy. | All the words of my mouth are in righteousness; there is nothing froward or perverse in them. |
| 9 | Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana. | They are all plain to him that understandeth, and right to them that find knowledge. |
| 10 | Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina. | Receive my instruction, and not silver; and knowledge rather than choice gold. |
| 11 | Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy. | For wisdom is better than rubies; and all the things that may be desired are not to be compared to it. |
| 12 | Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava. | I wisdom dwell with prudence, and find out knowledge of witty inventions. |
| 13 | Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. | The fear of the Lord is to hate evil: pride, and arrogancy, and the evil way, and the froward mouth, do I hate. |
| 14 | Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery; | Counsel is mine, and sound wisdom: I am understanding; I have strength. |
| 15 | Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny; | By me kings reign, and princes decree justice. |
| 16 | Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany. | By me princes rule, and nobles, even all the judges of the earth. |
| 17 | Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. | I love them that love me; and those that seek me early shall find me. |
| 18 | Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana. | Riches and honour are with me; yea, durable riches and righteousness. |
| 19 | Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina. | My fruit is better than gold, yea, than fine gold; and my revenue than choice silver. |
| 20 | Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina, | I lead in the way of righteousness, in the midst of the paths of judgment: |
| 21 | Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany. | That I may cause those that love me to inherit substance; and I will fill their treasures. |
| 22 | Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha. | The Lord possessed me in the beginning of his way, before his works of old. |
| 23 | Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany. | I was set up from everlasting, from the beginning, or ever the earth was. |
| 24 | Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, | When there were no depths, I was brought forth; when there were no fountains abounding with water. |
| 25 | Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho, | Before the mountains were settled, before the hills was I brought forth: |
| 26 | Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao. | While as yet he had not made the earth, nor the fields, nor the highest part of the dust of the world. |
| 27 | Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy, | When he prepared the heavens, I was there: when he set a compass upon the face of the depth: |
| 28 | Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina, | When he established the clouds above: when he strengthened the fountains of the deep: |
| 29 | Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany, | When he gave to the sea his decree, that the waters should not pass his commandment: when he appointed the foundations of the earth: |
| 30 | Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany; | Then I was by him, as one brought up with him: and I was daily his delight, rejoicing always before him; |
| 31 | Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona. | Rejoicing in the habitable part of his earth; and my delights were with the sons of men. |
| 32 | Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; | Now therefore hearken unto me, O ye children: for blessed are they that keep my ways. |
| 33 | Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà. | Hear instruction, and be wise, and refuse it not. |
| 34 | Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako. | Blessed is the man that heareth me, watching daily at my gates, waiting at the posts of my doors. |
| 35 | Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah; | For whoso findeth me findeth life, and shall obtain favour of the Lord. |
| 36 | Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana. | But he that sinneth against me wrongeth his own soul: all they that hate me love death. |
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗
King James Version — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: GPL