잠언 7장 Baiboly Malagasy (1865)
Baiboly Malagasy (1865) · 말라가시어 · 잠언 (Proverbs) · 27절
- 1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
- 2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
- 3 Afehezo eo amin’ ny rantsan-tananao izy, Soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka izy.
- 4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko ianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra ianao;
- 5 Mba hiarovana anao amin’ ny vehivavy jejo, Dia amin’ ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
- 6 Fa teo amin’ ny varavarankelin’ ny tranoko, Dia teo amin’ ny makarakara, no nitsirihako,
- 7 Ka nahita anankiray tamin’ ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
- 8 Izay nandeha tamin’ ny lalana akaikin’ ny zoron-tranon’ ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
- 9 Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin’ ny alina efa maizina dia maizina.
- 10 Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin’ ny janga no mifetsy am-po,
- 11 Sady vavàna no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
- 12 Fa vetivety mby eny an-dalam-be izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
- 13 Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
- 14 Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary androany no nanefako ny voadiko.
- 15 Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
- 16 Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
- 17 Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra ary havozo manitra.
- 18 Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain’ ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin’ ny fitiavana isika.
- 19 Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
- 20 Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon’ ny volana.
- 21 Tamin’ ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin’ ny fandroboan’ ny molony no nitaomany azy,
- 22 Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’ izay ilay zatovo, Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana,
- 23 Ambara-piboroaky ny lefom-pohy amin’ ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
- 24 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
- 25 Aoka tsy hivily ho any amin’ ny lalany ny fonareo, Ary aza mania ho amin’ ny alehany.
- 26 Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
- 27 Ny tranony dia lalana mankany amin’ ny fiainan-tsi-hita, Eny, midìna ho any amin’ ny efi-tranon’ ny fahafatesana.
- 📚 Baiboly Malagasy (1865) 책 목록
- 개역개정판 (1998)로
- 개역한글판 (1961)로
- 표준새번역 (1993)로
- King James Version로
- KJV 와 나란히
- 🌐 다른 언어·판
Baiboly Malagasy (1865) — getbible.net(CrossWire SWORD 모듈)에서 가져옴 · 라이선스: 공개 도메인 (Public Domain) · 출처 ↗